Hatreto, tsy mbola manan-kambara, hoy i Mbola Rajaonah, filoha tale jeneralin`ny orinasal RLM mahakasika ny fandoroana ny orinasany ny alatsinainy lasa teo.
Tsy fantatra ny fiavian`ny afo izay nitarika ny famaizana. Efa manao famotorana sy fanadihadiana ny eo anivon`ny polisy siantifika. Tsy mbola voafaritra ihany koa ny tentim-bidin`ireo entana izay kila forehitra. Nohamafisiny kosa fa manao ny asany ireo tompon`andraikitra ary ny hanavotana ny loza no atao maika satria ny orinasa tsy maintsy mihodina ary tsy maintsy mandroso isika. Hatreto, tsy fantatra mazava raha misy ambadika politika na famaizana tsotra ity tranga ity. Ny mampalahelo dia mamelona fianakaviana mpanao gazety an-jatony ity orinasa. Mahakasika ireo raharaha kolikoly maha voarohirohy an`i Mbola Rajaonah dia notsipihany fa aleo ny fitsarana no hitsara ary rehefa antsoina izy dia tonga, hoy hatrany fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.