Politique

Mbola Rajaonah ,Rolly Mercia,Fernand Cello Efa nohadihadian’ny zandary


  • Alakamisy 10 Janoary 2019

Namoahan’ny minisitry ny atitany Razafimahefa Tianarivelo avy amin’ny MAPAR didy tsy fahafahana mivoaka ivelan’i Madagasikara na IST i Mbola Rajaonah,

 

 

 Harry Laurent Rahajason, Fidèle Razarapiera ary Faniry Ernaivo ny talata 8 janoary fotoana namoahana ny valim-pifidianana ofisialy. Tsara ny manamarika fa efa notorian’ny Primatiora koa ry Hanitra Razafimanantsoa, James Ratsima, Fernand Cello ary Ninie Donia. Ny resaka fitakiana ny fahamarinana teny amin’ny 13 mey, izay nilazana azy ireo ho manohintohina ny filaminana sy ny fiandrianan’ny firenena no anton’ny fanenjehana. Matoa ny olona hamoahana ireny dia atahorana hitsoaka any ivelany noho ny raharaha hanenjehana azy. Omaly dia nivoaka ny resaka fa nampanantsoina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny Toby Ratsimandrava Atoa Mbola Rajaonah sy Rolly Mercia ; ary efa natao fanadihadiana ihany koa ny mpanao gazety Fernand Cello. Hohenjehina sy hopotehin’ny fanjakana Rajoelina hatramin’ny farany ve izany izy ireo noho safidy politikany ? Tsara ny mampahatsiahy fa tsy vao izao ny fifanolanana teo amin-dry Rolly Mercia sy Fidèle Razarapiera an-daniny ary Rajoelina sy ny ekipany an-kilany, fa nanomboka tamin’ny fisarahana ka nisafidianan’ireto farany niara-dia tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Nitohy tamin’ny fifanomezan-tanana tamin’i Marc Ravalomanana taty aoriana. Tetsy an-kilany dia nalefa vonjimaika eny am-ponja ireo olona 7 voasambotra noho ny hetsika teny amin’ny 13 mey ny sabotsy 5 janoary. Hizotra mankany amin’ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra dieny ety am-piandohana izany Rajoelina mba ho fampitahorana ny hafa ? Ilain’ny fanjakana ny fisian’ny mpanohitra sy ny tsy mitovy hevitra mba ho arofanina ary hisian’ny fifandanjan-kery eto amin’ny firenena amin’ny maha tany Repoblikanina, ary hanaratsy endrika sy hampihozongozona ny fitondrana ny fananganam-pahavalo be fahatany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT