Nanelingelina ny mpanao ampihimamba ny harem-pirenena i Marc Ravalomanana satria sahy nampiseho fa mahavita azy sy tsy azo tsinontsinoavina ny Malagasy, ary ohatra velona izy, izay efa tany amin’ny taona 90 dia efa namirapiratra tamin’ny fandraharahana, ka naharomotra ireo vahiny sasany nifehy izany tao anatin’ny 50 taona, toy ny resaka fandraharahana ara-bary.
Tsy vitsy ny karana nampiasa volabe nentina nanonganana azy, ankoatra ny Frantsay, ary mihorohoro fatratra ireo mihevitra ny mbola hitavana sy hanao izay danin’ny kibony amin’ny harem-pirenena sy ny fifehezana ny toekarena eto amin’izao firotsahany ho filoha izao, hany ka sahy manatobaka volabe hisakanana. Ny olona anefa amin’izao fotoana no manome tanana azy sy manosika azy satria mahatsapa fa mbola ilain’ny firenena i Marc Ravalomanana. Porofo mivaingana ny fahavitrihan’ny olona mandrotsa-bola ao anatin’ny kaonty tahiry, ary efa manana ny azy ihany koa ny any ampitan-dranomasina. Efa hatry ny ela no mihorohoro fatratra amin’i Marc Ravalomanana ny nanongana azy, niainga tany amin’ny fanaovana NOTAM, hany ka tsy tafiditra teto Madagasikara ny tenany raha tsy niala ny fanjakana tetezamita. Hifampitsara aty amin’ny fifidianana anefa ankehitriny. Voizin’ny ekipan’ny tetezamita amin’ny fandresen-dahatra ny Malagasy ny hanonitra ny fahatarana amin’ny fampandrosoana tamin’ny 2009 na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe: “Rattraper le retard” ho fanoitra hahafahana manatratra ny tanjona. Fa iza no nahatonga antsika ho taraiky sy nihemotra tahaka izao ? Raha ny tahan’ny fahantrana sy ny fadiranovana tany amin’ny taona 2002, dia 80,7% ary tafidina tany amin’ny 68% ny taona 2008. Nalaza tany Afrika ny anarana Marc Ravalomanana ary saika niaiky azy avokoa ny rehetra ka ny tetikasa novolavolainy aza nisy nividy sy nampiasa. Mbola porofo goavana manamarina ny hamafiny ny nahazoany ny amboara maha mpitarika politika mendrika indrindra azy aty Afrika, ka resiny tamin’ny fifidianana ny filoha Kenianina am-perinasa Uhuru Kenyata sy ilay filoha Liberianina teo aloha Ellen Johnson Sirleaf, izay efa nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana ny taona 2011.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.