Politique

Masoivohon’i Afrika Atsimo “Raharahan`ny samy Malagasy io”


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Manohana ny ezaka rehetra atao mitondra mankany amin’ny filaminana sy fandriampahalemana i Afrika Atsimo.

Mino izahay hoy ny ambasadaoron'i Afrika Atsimo Rtoa Maud Vuyelwa Dlomo fa tsy misy asa fampandrosoana azo tanterahina raha tsy mipetraka ny filaminana sy ny fitoniana. Miara-miasa akaiky amin’i Madagasikara i Afrika Atsimo amin’ny fampandrosoana ny firenena hatramin`izay. Mahafaly ny fahitana fa miditra an-tsehatra ny mpitondra fivavahana sy ireo fiarahamonim-pirenena ao anatin’ny famahanana ny savorovoro misy araka ny fanazavany. Nilaza ireo mpitarika antoko politika fa ny samy Malagasy no mikatsaka vahaolana, ary tohanan`i Afrika Atsimo izany hevitra izany. Ny Malagasy ihany no mahita ny fomba hanatanterahina na endrika fifampidinihana tiany hatao. Tsara raha ny rehetra kosa no mandray anjara ao anatin’izany satria tranga efa niainana izany tany Afrika Atsimo hoy hatrany ny ambasadaoron`i Afrika Atsimo. Raha ny fantatra dia hisy delegasiona SADC ho avy amin’ny herinandro ambony hanampy ao anatin’ny fanamorana izany fifampidinihana izany. Mahakasika ny resaka fanemorana ny datim-pifidianana, raha toa ka izay no tapaky ny Malagasy dia hajain`ny Afrika Atsimo satria raharahan’ny samy Malagasy dia azon’ny Malagasy vahana io olana io. Nandritra ny valandresaka niarahana tamin`ny mpanao gazety no nanambara ny masoivoho an`i Afrika Atsimo fa niova ny fomba fangatahana ``visa`` ary eo anivon`ny banky SBM no mandoa ny saran`izany ``visa`` izany fa tsy eo anivon`ny masoivoho intsony. Ireo mpangataka ny visa dia asaina mba hanao fangatahana ao amin’ny tranonkalam-pifandraisana ka mameno ny taratasy mivantana ao anatin’izany tranonkala izany.  


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT