Niandry ny didy navoaky ny filan-kevim-panjakana vao tonga nihaona tamin’ny praiminsitra Jean Ravelonarivo ireo masoivoho vahiny eto amintsika.Nisesisesy mihitsy izy ireo omaly ka tonga teny Mahazoarivo ireo delegasionina avy amin’ny masoivoho Amerikanina, Maorisianina, Indonezianina ary ry zareo avy ao amin’ny Vondrona Eoropeanina. Fiarahabana ny praiminisitra vao voatendry sy
fanamafisana ny fiaraha-miasa no votoatin-dresaka tamin’ny ankapobeny, Atoa Antonio Sanchez Benedito Gaspar masoivohon’ny vondrona eoropeanina manokana dia nampatsiahy fa efa nivoaka ny fanampiany tapany voalohany ho an’i Madagasikara tamin’ny desambra 2014, ary mety hivoaka mialoha ny faran’ity taona 2015 ity ny tapany faharoa , amin’ny alalan’ny FED 11 raha toa ka mitohy ny fametrahana ny fitoniana eto Madagasikara.Efa dingana iray amin’ny fitoniana ny fanendrena ny praiminsitra hoy izy, fa tokony mbola hitohy izany.Mazava ny resaka eto fa dia mametraka fepetra ny mpamatsy vola izay vao mamoaka vola ary azo antoka fa mitaky governemanta ahitana taratra ny fampihavanam-pirenena sy ny fitoniana izy ireo, izany hoe ahitana ireo ankolafin-kery politika maro samihafa eto amin’ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.