Politique

Masoivoho vahiny Nivory maika teny Ankorondrano omaly


  • Alakamisy 28 Mey 2015

Nivory maika teny Ankorondrano teny amin’ny biraon’ny vondrona Afrikanina omaly ireo masoivoho vahiny eto Madagasikara, manodidina ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny indrindra fa ny savorovoro ara-politika nateraky ny fanonganana ny filoham-pirenena nataon’ny antenimieram-pirenena no fantatra fa anton’ity fihaonana ity.

 

Manara-maso akaiky ny zava-misy eto ny sehatra iraisam-pirenena. Ny Amerikanina sy ny Frantsay, ohatra, dia efa samy namoaka fanambarana niantso ny amin’ny tokony hisian’ny fitoniana sy ny tsy hidirana amina krizy vaovao hafa indray. Hatrizay dia efa namariparitra ireo firenena vahiny sy ny fikambanana iraisam-pirenena maro mifandray amin’i Madagasikara fa mila fitoniana sy filaminana ny fivoahan’ny famatsiam-bola. Na ny fanonganana ny filoha na ny fandravana ny antenimieram-pirenena dia samy azo sokajiana fa krizy sy fikorontanana ka hampihemotra indray ireo mpamatsy vola efa nivonona hanampy antsika. Tsara ny manamarika fa mbola miankina amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany ny 75%-n’ny tetibolan’ny fanjakana malagasy hahafahany miasa ara-dalàna.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT