Ny Amerikanina no firenena vahiny voalohany namoaka fanambarana, tamin’ny alalan’ny Masoivohony, omaly hariva manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, indrindra ny eny Tsimbazaza.
«Manohana ireo ezaka nataon’ny Filoha Rajaonarimampianina sy ny governemanta Malagasy i Etazonia mba hivoahana ny krizy tamin’ny taona 2009, ka hahafahan’i Madagasikara mitrandraka manontolo ny otrikareny. Ny fahamarinan-toerana no lakile ho an’ny hoavin’i Madagasikara – hampandroso ny toekarena, hisintona ireo famatsiam-bola, ary hamorona asa. Izany anefa dia mitaky ezaka avy amin’ireo mpitarika ny firenena, miasa miaraka hanatrarana ny tanjona iombonana hanohizana ny lalan-tsara efa izoran’i Madagasikara. Miantso izahay ireo mpisehatra rehetra manana andraikitra fitarihana, anisan’izany ireo mpikambana amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny maha-solontenan’ny vahoaka amin’ny faritra niavian’izy ireo azy, mba hametraka ho laharam-pahamehana ambony indrindra ny soa ho an’ny vahoaka, ary hiantoka ny fahamarinan-toerana ilaina ho an’ny hoavin’ny firenena".
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.