Politique

Masiaka ny fikambanana Otrikafo Tsy misy azo antenaina amin’ny fihaonan’ireo filoha 5


  • Alatsinainy 02 Febroary 2015

Tsy hisy zava-baovao hitondra ho amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny vahoaka hivoaka avy ao amin’ny fikaonan-dohan’ireo filoha dimy izay eo ambany fitarihan’ny FFKM araka ny fijerin’ny fikambanana Otrikafo azy. Ny antony dia tsy amin’ny androm-pahanterana ary efa tsy am-perinasa intsony vao hanana hevitra matotra sy mafonja, satria akoho tsy naneno tahak’izay lasan’ny kary.

 

Fony tam-perinasa nigalabona nampahantra vahoaka, tsy  nandry  fahalemana ny tany ary tsy nisy fitoniana teo amin’ny andavanandron’ny  mponina. Ny tanora nantenain-kanirina indray vao mainka nampivandravandra  satria nitondra ny vahoaka sy ny firenena tamin’ny fihitsohana lalina na kirizy  mafy izay tsy mbola mivaha mandraka ankehitriny. Ny am-perinasa tsy hita  soritra mihitsy izay vina  itondrany  ny tany sy ny Fanjakana efa hiherina ihany ny taona, fa dia fivoahana any velany lava izao, toa  “akoholahin’Atanantanana”  sanatria ka « mivoaka tsy mivimbina, miditra tsy mitondra » izay mba ho  fanamaivanana ny fahantram-bahoaka aman-tebitebiny. Momba ny fanendrena Praiminisitra vaovao dia nahitsy ny Otrikafo nilaza fa ny  praiminisitra  anie  tsy  mahaleotena irery, fa mpampihatra  ny politikan’ny filoham-panjakana. Noho  izany, tsy dia hifankaiza firy amin’izay efa nataon’Atoa Kolo Roger ihany koa no hafitsony eo. Tsy manana vina manokana izy, fa fandaminana asa sy/na fandrindrana ihany no ataony. Tsy hisy fahagagana ho amin’ny fampandrosoana hoentiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT