Ny 48%-n’ny malagasy ihany, hoy ny mpanao politika, Marcel Ravohitra no nifidy. Ny atsasa-manilan’izay no nandany ny filoham-pirenena vaovao.
Maro an’isa no tsy Mankato io fitondrana mijoro io, hoy ny tenany. Hihatakataka sy hanilika andraikitra, araka izany, ny ankamaroan’ny olom-pirenena. Tsy ho marin-toerana ny fitondrana hijoro, hoy ity mpanao politika mpikamban’ny hetsika fanorenana ifotony ity. Ahiana tsy haharitra ela aza. Efa porofo maro mariky ny tsy filaminana ireny hotakotaka nitranga teny amin’ny 13 mey ireny. Manerana an’i Madagasikara saika nahitana hetsika avokoa. Mety hahita zavatra hafa isika ato ho ato, hoy ny tenany, ka ho vahaolana dia ilaina ny fanorenam-pirenena. Izany hoe hatramin’ny lalàna fototra sy ny lalàm-piarahamonina no mila fitaizana mba hifandrindra amin’ny tena toe-tsaina Malagasy izay miha very na tafiditry ny fanatontoloana. Fantatra anefa fa tsy hiroso amin’izay io fitondrana io ary efa nitsivalana tamin’izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.