Mampitandrina ireo izay nanao fanambarana fa hitory an'i Andry Rajoelina i Marc Tatandraza, araka ny horonantsary naparitany any amin’ny tambajotra fesiboky.
Na iza na iza manakana an'i Andry Rajoelina tsy hilatsaka ho filoham-pirenena dia ambarany fa hoveleziny amin'ny sabatra lehibe izay eny am-pelatanany ao anatin’ilay horonantsary. Izy miakanjo fotsy sy manao saron-doha miloko volom-boasary moa no nakana an’ilay horonantsary, koa dia miomana ianareo izay manenjika an'i Andry Rajoelina fa ho tapahan'i Marc Tatandraza ny lohanareo, hoy izy. Mananihany ve sa efa tsy salama saina izy fa dia milaza ny ho mafy be mahay mitifitra, mahay mampiasa meso ary lehiben’ny dahalo vonona hifampitady amin’izay manenjika azy. Efa am-bolana maro ity mpitarika antokom-pivavahana ity no nokarohina noho ny resaka afera maromaro, toy ny hoe fitazonana olona an-keriny hanara-dia azy amin’ny antokom-pivavahana. Ny resaka farany nifanaovana tamin’ny mpitandro ny filaminanana volana vitsivitsy lasa izay, dia manan-kery hatrany ny didy fikarohana azy, saingy hatramin’izao dia tsy tratra. Ny mpitandro ny filaminana Malagasy ve sanatriavin’ny vava no tena badraodra, ka olona iray tsy misy afa-tsy tanam-polo nefa tsy voasambotra hatramin’izao ? Tsy vao izao ny resaka fanadalana saim-bahoaka na fihetsika mety hanafintohina nataony, ary iaraha-mahita io hatrany ny afitsony, saingy toa tazanim-potsiny. Firifiry moa ireo nandefa zavatra tsy dia mendrika na fanaratsiana mpanao politika tamin’ny tambajotra fesiboky, saingy voasambotra sy hita ny toerana nisy azy, toy ilay nilaza fa nihotsaka ny tonelina Ambanidia, na koa ilay namoaka sary miendrika fanompana an-dRajaonarimampianina. Asa lahy na iniana hampirisihina mihitsy iny olona iny mba hanadalana ny saim-bahoaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.