Mbola nanamafy indray i Marc Ravalomanana fa vonona handoa ny trosan’ny fanjakana izy ireo raha misy, saingy mitaky ny hamoahana izany mazava izy ireo.
Nomarihiny kosa fa mangataka ny hanonerana ny fahasimbana vokatry ny fandrobana natao ny orinasa tao anatin’ny vondrona Tiko ihany koa izy ireo araka ny nambaran’ny tondrozotra, izay efa lasa lalàna. Vao tsy ela ny tenako no nihaona tamin’ny minisitry ny Varotra saingy tsy hita ny marina hatreto ary efa nisy ny taratasy nataon’ny tale jeneralin’ny vondrona Tiko mikasika ny hetra sy ny resaka trosa ambaran’ny fanjakana saingy tsy mbola nisy valiny hatrany izany, hoy izy. Efa nifampiresaka tamin’ny minisitry ny vola ny tenanay fa tsy nisy zava-banona hatreto aloha. Efa mandeha ny dinika any amin’ny mpamatsy vola. Tsy hitako ny antony tsy hamelana ny Tiko sy ireo orinasa maro samihafa toy ny MBS sy ny sisa hisokatra, izay nambara fa aorian’ny fifidianana vao hosokafana, hoy hatrany i Marc Ravalomanana ka dia ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.