Tsy dia hoe manohitra ny fampihavanam-pirenena ireo izay nihataka, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly ary aminy dia tsy tandidomin-doza izany ny fampihavanam-pienena.
Momba ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana indray dia nambarany fa mbola mihatra aminy tokoa ilay fepetra hoe « assignation à résidence fixe » na fijanonana amina toeram-ponenana iray. Noho ny fampihavanana anefa dia efa novahana sy nohatsaraina araka izay tokony ho izy ny momba ity filoha teo aloha ity raha araka ny fanazavany hatrany, kanefa misy fetrany ihany kosa anefa ilay izy. Raha tsorina ny resaka dia fehezin’ny fitondram-panjakana ary voafetra ihany ny fahafahan’i Marc Ravalomanana ka izay ilay ambaran’ity filoham-pirenena teo aloha ity fa tsy rariny satria tokony hitovy zo amin’ny lafiny rehetra ireo mandray anjara amin’ny diniky ny fampihavanam-pirenena fa tsy misy avahana. Afaka mifampiresaka foana izaho sy i Marc Ravalomanana, hoy i Hery Rajaonarimampianina ary azo atao tsara ny mikaroka vahaolana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.