Politique

Marc Ravalomanana Vao mainka mamim-bahoaka


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Fihetsika feno fanajana sy fankasitrahana no nandraisan’ny vahoaka an’i Marc Ravalomanana nandritra ny lanonam-pianianan’ny filohan’ny Repoblika vaovao Andry Nirina Rajoelina tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 19 janoary lasa teo.

Nihofahofa ny sainam-pirenena Malagasy teny an-tanan’ny olona nandritra ny fahatongavan’izy mivady nanotrona ity lanonana ara-panjakana ity. Tehaka sy fankasitrahana no nandraisan’ny olona azy noho ny fahatsoram-pony sy ny fahamendrehana ara-politika ananany. Nasehony ho hitan’ny vahoaka Malagasy hatrany fa olon’ny fihavanana sy fitiavan-tanindrazana ny tenany. Maro no vaky vava fa tena hafa i Dada. Sambany teo amin’ny tantaran’ny firenena ny tahaka izao. Nanome voninahitra ny lanonana teny Mahamasina avokoa moa ireo filoha teo aloha miisa 3 dia i Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary i Hery Rajaonarinampianina. Nitohy tamin’ny fanatrehana sy fandraisana anjara tamin’ny fotoam-bavaka lehibe teny Mahamasina nentin’ny fiangonana FJKM nitrotro am-bavaka ny taona 2019 izany ho an’i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, izay samy zanaky ny fiangonana. Tsy hita teny an-toerana kosa ny filoha vaovao Andry Nirina Rajoelina. Nandritra io fotoana io, dia mbola nifanotofan’ny vahoaka sy ny mpino marobe i Marc Ravalomanana ka niara-niventesan’ny olona ny hoe: “izahay tsy miala aminao Dada a !”. Tena hafa raha samy mpanao politika i Marc Ravalomanana, ary tena raiamandrenin’ny firenena. Vao mainka hitiavan’ny olona azy ny fahendrena asehony, hany ka na ireo olona nanohana ny mpifanandrina politika taminy tamin’ny fifidianana aza vaky vava hoe: tena hafa iny lehilahy iny. Miandry ny toromarika ara-politika avy aminy ny mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana satria tsy mijanona eo ny tantara, fa mbola maro ny dingana holalovan’ny firenena, raha ny resa-pifidianana fotsiny ohatra. Andrasan’ny rehetra ihany koa ny mety ho endriky ny governemanta vaovao hitsangana eo na hisy olon’ny Tiako i Madagasikara na tsia.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT