Politique

Marc Ravalomanana “Tsy vahaolana ny valifaty, ndao hihavana”


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Manaiky ny didim-pitsarana tsy azo hivalozana navoakan’ny HCC ny kandida Marc Ravalomanana, araka ny fanehoan-keviny. Misaotra an’Andriamanitra fa tafita soa aman-tsara ary vonona amin’ny fihodinana faharoa isika, hoy izy.

 

 

 Manamafy ny fisokafany amin’ny hery politika sy fikambanana ary ny olom-pirenena rehetra izy. Vonona ny hampandresy azy ny vahoaka Malagasy. Ny teny filamatra voiziny ao anatin’ny fivelarana ny rehetra ao anatin’ny K25 rahateo dia ny “Mpanangana fa tsy mpandrava, hampiombona sy hampitovy lanja”. Tsy maintsy hampiombonina mba hitovy lanja daholo amin’ny zavatra rehetra atao. Nandray lesona tamin’ny tantaran’ny firenena sy ny ahy manokana tamin’ny nitondrako an’i Madagasikara aho, hoy i Marc Ravalomanana tamin’ny valandresaka nifanovany tamin’ny fampahalalam-baovao AgenceEcofin. Sesitany tany Afrika Atsimo ny taona 2009-2014, ary afaka nijery sy nandinika ny fiainana andavanandro nahafaha-nahalala ny fomba ialana amin’ny ady an-trano sy ny gidragidra tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra mahery vaika. I Nelson Mandela no raiben’ny tena fampihavanam-pirenena tao ary nitondra fahaterahana vaovao ho an’i Afrika Atsimo, ka nahafahan’ny rehetra miara-miaina ao anatin’ny fahasamihafana. Nogadraina nandritra ny 27 taona kanefa tonga filoham-pirenena. Na nisy tamin’ny mpiara-dia aza no vonona hirombo sy hamaly faty  dia tsy nirona tamin’izany izy fa nametraka ny fampihavanana sy fiarahana hisian’ny fitoniana sy ny filaminana, izay tsy mamafa velively ny fahasamihafana. Mitovitovy amin’izany ny an’i Marc Ravalomanana. Naongana, nodorana fananana, sesitany 5 taona, nogadraina,… saingy tsy vahaolana ho azy ny valifaty. Izy aza no nifona in-telo tamin’ny fahadisoana mety vitany teto amin’ny firenena. Nanatona sy niresaka tamin’ireo tsy nitovy hevitra, raha tsy hilaza afa tsy ny Pr Zafy Albert, ary tsy hanao ho rano raraka an-tany ny fampihavanam-pirenena novoizin’ity Filoha efa nodimandry ity. Nivezivezy im-betsaka ary nandinika ny nataon’ireo firenena efa tena mamiratra toa an’i Rwanda, Ethiopie sy Azia Atsimo Atsinanana, ka afaka manatsoaka lesona azo hitondrana ny fampihavanam-pirenena, ny fampihavanana ara-toekarena ary ny fiandrianana sy filaminan’ny firenena hahafaha-mizotra mankany amin’ny fampandrosoana. Vonona tanteraka hanarina ny tsy nety sy hanohy ny fahombiazana i Marc Ravalomanana tsy manam-potoana hananganam-pahavalo ny mpiray tanindrazana na voizina ho mpanavakavaka aza. Ny fahantrana sy ny famotehana ny firenena sy ny vahoaka no fahavalony, ary efa nambarany fa ny andro sisa hiainany dia hatokany hanasoavana ny firenena sy ny Malagasy. Kandidan’ny fiombonana sy vahoaka izy, ary na ny ankamaroan’ireo nanana olana taminy aza dia efa maro no naneho fa hanolo-tanana ho azy.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT