Nijoro ho ray aman-dreny afaka manelanelana manoloana ny fifananandrinan’ny filohan’ny repoblika sy ny antenimieram-pirenena, Atoa Marc Ravalomanana, filoham-pirenena teo aloha sady filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara.Fifanatonana, fifanazavana ary fifampiresahana, izay ihany no vahaolana hoy izy.
Tsy ho zakan’ny vahoaka intsony
Nambarany teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra omaly maraina nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety fa tsy ho zakan’ny vahoaka malagasy intsony raha toa ka mbola hisy krizy vaovao indray eto amin’ny firenena.Efa nihaona tamin’ny solontenan’ireo solombavambahoaka i Marc Ravalomanana, nidinika tamin’ireo masoivoho vahiny ihany koa ary niresaka tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ;tena misy ny ady eo amin’ny andrim-panjakana hoy izy, nambarany koa anefa fa tsy mitsipaka na manome tsiny ny solombavambahoaka TIM velively ny tenany satria firaisankinan’ny samy solombavambahoaka no nitranga fa tsy resaka antoko na olona.Nanamarika koa anefa ny filoha nasionalin’ny TIM fa tsy mankasitraka ny fanonganana ny filoham-pirenena ny tenany ary mitsipaka ihany koa ny hevitra ambadika handravana ny antenimieram-pirenena.
Fifampiresahana
Tsy misy zava-banona eto raha tsy misy ny fifampiresahana ka noho izany dia miantso ny fiadidiana ny repoblika sy ny antenimieram-pirenena mba hifampiresaka sy hifandinika Atoa Marc Ravalomanana, ka apetraka ny « pacte de stabilité » na fifanarahana hampisy ny fitoniana mba hahafahan’ny asan’ny fitondram-panjakana miroso.Nahitsy ny tenin’ity filoham-pirenena teo aloha ity nilaza fa tsy izy velively no ao ambadiky ny fandrodanana ny filoham-pirenena ; mety fihetsika fiarovan-tena ny an’ireo solombavambahoaka, hoy izy rehefa nahare feo izy ireo fa mety ho ravan’ny filoha ny antenimieram-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.