Aloarbia Vatosola, Moramanga, Vatomandry, Brickaville, Toamasina, Amparafaravola, Ambatondrazaka,…
no nanaovan’i Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra omaly ka nasehon’ny rehetra fa miombom-po sy vonona hampandresy azy ny vahoaka. Tsapako fa be ianareo no resy lahatra hanara-dia ahy, hobataintsika ny fandresena, hoy izy. Minoa fotsiny ihany ! Jesoa Kristy no kapitenintsika, hoy ny fanomezan-tokiny. Tongava manefa ny adidy, ary mahaiza mifidy, hoy ny toromarika tao Toamasina. Betsaka ny ezaka tokony hatao eto ary betsaka ny zavatra tsy maintsy hovitaina. Ny simba tsy maintsy hamboarina ary ny tsy vita tsy maintsy harenina. Minoa ianareo ahy, fa tsy hamitaka aho, ary afaka mifampiresaka aminareo, hoy i Marc Ravalomanana. Zava-dehibe anefa ny fampandaniana azy hahafahany manao izany, mila ny fiaraha-mientana sy ny fifandresen-dahatra miainga amin’ny fanentanana isan-tokantrano mihitsy. Aza jerena amin’ny akanjo sy ny T-shirt hanaovany fa ny ao am-pony ao tena tia an’i Dada, hoy izy, izay mampiseho ny maha kandidan’ny fiombonana sy ho filohan’ny Malagasy rehetra azy. Ny mpanongam-panjakana no hifanandrina amiko amin’io fotoana io, ny mpitarika ny fanonganam-panjakana izay lasa filohan’ny tetezamita no hifanandrina amin’i Marc Ravalomanana izay mitondra ny laharana faha-25 izay nitondra nandritra ny 7 taona, hoy ny lahatenin’i Marc Ravalomanana tao Vatomandry. Manana ny maha izy azy ity satria ela no niandrasako an’io fifidianana io, ela ihany koa no niandrasanareo azy, ka aleo hifanandrina hotsarain’ny vahoaka ny mpaka fahefana amin-kery, fa izaho dia in-droa no voafidim-bahoaka tamin’ny fomba ara-demokratika dia tamin’ny 2002 sy 2007, hoy i Marc Ravalomanana. Tonga ny fotoana hisafidiananareo ny mpitondra na ilay mpanangana nandritra ny 7 taona na ilay mpandrava sy mpandoro 5 taona taty aoriana, hoy izy tsy nitsitsy fitenenana tany Vatomandry. Nisaotra ny vahoakan’Amparafaravola tonga maro be i Marc Ravalomanana omaly, ary mino aho, hoy izy, fa mbola ho hihoatra lavitra noho izao no ho tonga handatsa-bato amin’ny 19 desambra. Nangataka ny hitondran’ny tsirairay olona iray mbola misalasala na tsy tapa-kevitra na tsy nifidy tamin’ny fihodinana voalohany mba hifidy an’i Dada, dia ho avo roa heny ny ezaka. Notsiahiviny hatrany fa hifanandrina ny mpanongana sy ny naongana ka mila mijery tsara ny fahoriana nianjady tamintsika isika, ny fampahoriana nataon’ireo tsy mataho-tody,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.