Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpikambana amin’ny Tiako I Madagasikara teny amin’ny boriborintany faha-3 omaly no nanambaran’Atoa Marc Ravalomanana fa lasa any Alemana ary hijanona any mandritra ny 4 herinandro Rtoa Lalao Ravalomanana.
Fiofanana momba ny asan’ny Ben’ny tanàna no anton-diany any no sady efa hijery sahady ireo mpiara-miombon’antoka vonona hiara-kiasa aminy mba hahafahana mampandroso haingana an’Antananarivo renivohitra, rehefa voafidy ho ben’ny tanàna izy. Ny tenako, hoy i Marc Ravalomanana raha nirotsaka ho kandida ben'ny tanàna tamin’ny 1998 dia nandeha niofana sy nianatra momba ny asan'ny ben'ny tanàna tany Baltimore -Etazonia nandritra ny 6 volana. Toy izany koa raha hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Tena ilaina tahaka izany raha tena vonona marina ny hitantana tanàna, hoy izy. Efa nanana ny fahaizany hatramin’izay i Neny ary indrindra efa nahita ny Filoha Ravalomanana nitantana ny taona 1999 ka hatramin’ny 2009. Efa nitantana ny orinasa TIKO ihany koa i Neny rehefa avy nomena fiofanana nandritra ny enim-bolana ka nahita tsara sy nahay nitantana ity orinasa goavana ity nandritra ny 7 taona mahery avy eo.
Tsy matahotra aho…
Tsy maintsy manampy an’i Neny amin’ny heriko sy fahaizako rehetra aho, hoy i Marc Ravalomanana omaly. Raha mba manana ny hafa dia manaova fa aza be fanakianana fotsiny, hoy izy. Nambaran’Atoa Ravalomanana omaly fa misy ny mampitahotra saingy ambarako mazava tsara fa tsy matahotra aho fa tena sahy ary efa nasehoko im-betsaka izany, hoy izy. Ny tena atahorako dia ny firosoan'ny fahantran'ny vahoaka haingana be nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramian’ izao ary mety mbola hitohy raha tsy mahita vahaolana haingana isika. Manoloana ny resa-be etsy sy eroa momba azy dia nahitsy ny tenin’i Marc Ravalomanana omaly : « Izaho dia manaja ny fitondrana misy, tsy mpanongam-panjakana aho fa mitady vahaolana aza no ataoko satria vao mainka hampiditra an'i Madagasikara any amin’ny kizo ny krizy sy fifanonganana mety hisy ». Mazava ny fanamby napetraka ho an’ny TIM dia ny hampandresena an’i Neny amin’ny isam-bato mazava ary dia hatomboka amin’izay ny fanarenana an’Antananarivo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.