Niseho voalohany tamin’ny mpiara-dia sy nampivory ireo lohandohan’ny mpisorona tetsy amin’ny foiben-toeran’ny K25 Bel’Air i Marc Ravalomanana omaly alarobia, taorian’ny didin’ny HCC.
Tsy tokony ho kivy fa misy fotoana ny zava-drehetra, mila vonona foana isika hitady ny fahamarinana, hoy ny filoha Ravalomanana. Nitohy tamin’ny fanambarana ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, indrindra fa ireo izay nifidy azy sy nametraka fitokisana taminy tamin’ny alalan’ny onjam-peo sy fahitalavitra izy. Misaotra indrindra, misaotra betsaka, hoy izy. Misaotra an’Andriamanitra fa dia nitantana sy nivimbina antsika izy, ka nahatanterahantsika sy nahavitantsika soa aman-tsara iny fifidianana iny. Nivoaka ny didy navoakan’ny HCC, izay nanambara fa Atoa Andry Rajoelina no lany ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ka miarahaba azy ny tenako ary mirary soa sy fahombiazana mandrakariva amin’ny adidy sy andraikitra izay iandraiketany. Nitety faritra maro izy ary nahita ireo zavatra manjo sy mihatra amin’ny vahoaka Malagasy 92% tena sahirana izy ireo, tena mila fanampiana izy ireo, ary mila fijerena manokana, ka hoy aho aminareo hoe : tsy maintsy mitraka isika, tsy maintsy mifampahery isika, ka misaotra betsaka tamin’ny fampaherezana izay nataonareo fa voaraiko avokoa izy ireny ary izaho ihany koa mampahery anareo, hoy ny hafatra miantefa amin’ny vahoaka tsy an-kanavaka. Homba antsika mandrakariva Andriamanitra, hoy izy, ary napetratsika aminy ny hoavin’ny firenentsika, ka dia mahatoky sy mino aho fa tsy hahasaraka antsika izy. Te hiteny aho, te hilaza aho hoe: atsahatra amin’izay ireo fanenjehana sy fanaratsiana ary ny fisamborana, ilaina ny famoahana ireo olona tsy manan-tsiny any am-ponja, hoy ny hafatra nataony ho an’ny mpitondra fanjakana. Fotoana tokony hirosoantsika amin’ny fampihavanana, fifankatiavana, firaisankina izao mba hahafahantsika miatrika ny fampandrosoana ara-toekarena an’ity firenena malalantsika ity. Manantena aho ary mino fa raha mbola misy foana ny farany tsy ho foana akory ny fanantenana. Teo am-pamaranana dia mbola namerina ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao 2019 izy. Ho taona hahafantsika hahita ny rariny anie ity taona ity ary hahatsapantsika fa tsy maintsy hiroso mandrakariva amin’ny fiainana sahaza azy ny Malagasy tsirairay avy ary tsy hotakonan’ny hafa ny anjara masoandron’ny tsirairay. Mino sy manantena aho ary mahatoky fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra. Mametraka ny firariantsoa ho antsika Malagasy ny tenako, hoy izy. Maro no tsy nahatana ny fihetseham-pony tamin’ny teny feno fahendrena nataon’i Dada, izay mampitamberina ny ezaka sy ny fanantenana niboiboika. Na izao aza ny zava-misy dia nampahery ny rehetra izy tsy ho kivy ary nirary fihatsaram-piainana ho an’ny isam-batan’olona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.