Anio 29 sabotsy 29 Septambra 2018 amin'ny 4 ora tolakandro ao amin'ny Le Millenaire Savigny le Temple any Parisy no hanasan’i Marc Ravalomanana Kandida laharana faha-25 ny Malagasy monina any Frantsa sy Eoropa.
Hifantoka amin’ny fitondrana ny anjara biriky entina hanohanana ny kandida laharana faha -25 sy ampandaniana azy ho Filohan'ny Repoblika io satria efa miandrandra an’i Marc Ravalomanana ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy eto an-tanindrazana sy ireo mielim-pantrana manerana izao tontolo izao. Efa any Parisy hatry ny omaly i Marc Ravalomanana, ka nanantena ny fahatongavana maro, ary mino ihany koa aho fa ianareo ihany koa liana te hiresaka sy hifampidinidinika amiko. Betsaka ny azoko tantaraina na ny avy any Madagasikara nandritra izay fitetezam-paritra izay natao izay, na koa ny fifampidinihina tamin’ireo lehibena andrim-panjakana tao Bruxelles, niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina. Afaka manome toky anareo tsara aho hoe ohatran’ny inona ny fiaraha-miasa sy ny zavatra azo atao rehefa vita soa aman-tsara ka mandresy isika satria tsy azo atao ny mandiso fanantenana ny olona hoe hanome sakafo azy kanefa tsy hita akory izay fomba hanatanterahana izany, hoy izy omaly. Ny an’i Marc Ravalomanana irery hatreto no mazava ny famatsiam-bola amin’ny fifidianana, araka ny tondroin’ny lalana ary efa nanokafany ilay kaonty Tahiry ho amin’ny fampandaniana an’i Ravalomanana. Efa manana an’io fomba fiasa io ihany koa ny kandida Dama. Ny an’ny kandida hafa kosa dia tsy mbola misy nampahafantarina ampahibemaso hoe aiza marina ny loharanom-bola hiatrehana ny propagandy , kanefa efa hanomboka afaka herinandro izany (8 oktobra)… Tsy maintsy fantatra mazava ary azo hamarinina anefa io loharanom-bola io, ary misy rahateo ny mpitam-bola izay tsy maintsy hanao tatitra momba ny vola miditra sy mivoaka rehefa avy eo, manoloana ilay vaomiera manokana misahana izany. Tsy dia tena hoe zava-baovao firy amin’i Marc Ravalomanana ny zavatra toa izao satria efa niomana izy ary mahafantatra tsara fa tahaka ny nidiran’i Madagasikara tamin’ny fampiasana ny bileta tokana tamin’ny 2013 ihany no tsy maintsy nirosoana amin’io fangaraharahan’ny vola ampiasain’ny kandida sy ny antoko politika io. Olon’ny mangarahara i Dadavalo izay angady nananana sy vy nahitana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola eto Madagasikara tain’ny fananganana ny Bianco s ny Samifin, izay dingana lehibe ary azo hatsaraina foana moa ny fomba fiasa… Efa santatry mangarahara hasehony amin’ny fitantanana ny firenena rahatrizay izy no voafidim-bahoaka ho filoha izao fomba fiasa asehony izao ; ary antoka hipetrahan’ny fifampatokisana eo aminy sy ny vahoaka, ary eo amin’ny mpitondra fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.