Olon’ny Finoana i Marc Ravalomanana, ary efa namerimberina fa ankininy amin’Andriamanitra ny zava-drehetra ; anisan’ireo kandida miatrika ny JMJ an’ny tanora Katolika any Mahajanga ny tenany nanomboka omaly.
Izy izay manome anjara toerana lehibe ny fampianarana sy ny fanampiana ny tanora ao anatin’ny fandaharanasany rahatrizay izy no voafidim-bahoaka hitantana ny firenena. Efa nampanantena tamin’ny Malagasy aho fa indray andro dia mbola hiverina eo hanarina ny nopotehina, hoy i Marc Ravalomanana, kandida laharana faha-25. Tonga mba hanampy ny vahoaka Malagasy satria tena nijaly sy niha nahantra fadiranovana tao anatin’ny 9 taona. Tsy hohadinoin’ny vahoakan’Antananarivo sy ny Malagasy rehetra ny famotehana firenena tamin’ny 2009. Talohan’izay, tsy mba nisy ny fakana an-keriny na kidnapping, ary nilamina kokoa ny tany ama-monina, hoy izy tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray. Lainga ny filazana fa nanafangaro ny fitantanana ny firenena sy ny orinasako aho. Niasa tamin’ny fampandrosoana ny firenena ary ny nataoko dia ny nampiasa mpanolotsaina niara-niasa tamina manampahaizana samihafa, toy ny Frantsay, Alema, Amerikanina, Norvezianina,… Anisan’ny zava-dehibe tamin’izany fotoana ny fiarovana ny tontolo iainana, saingy tamin’ny tetezamita dia raikitra ny fanondranana boaderozy nandritra ny 5 taona, ary nanangom-bola be tao. Lainga ihany koa ny filazana fa tamin’ny fotoana nitondrako no nanomboka nahazo vahana ny fanondranana boaderozy. Ny tenako aza no nanao fanamby tany amin’ny Fihaonambe iraisam-pirenena tany Durban fa hampitombo avo telo heny ny faritra arovana. Nofaranana ny fanondranana omby, naverina tamin’ny laoniny ny fanjakana tan-dalàna,… Mino sy mahatoky aho fa ho lany indray ary ho fihodinana voalohany, hoy izy. Samy niomana sy vonona ireo kandida 35 ireo, ary mitovy avokoa ireo aminy. Tsy olana amiko ny fifanandrinana amin’i Andry Rajoelina na ny Pasitera Mailhol na Dama na ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, raha hisy ny fihodinonana faharoa, fa izaho aloha tsy mino, hoy izy. Manana herijika betsaka indrindra ho filoham-pirenena ny kandida Marc Ravalomanana. Manome vahana azy ny tantara tsy voafatotry ny tantara maloto teto amin’ny firenena satria tao anatin’ny famirapiratana sy ny fiakaran-danjan’ny firenena sy ny fari-piainan’ny Malagasy mihitsy no naongana teo amin’ny toerany. Tsy voagejan’ny afera maloto, toy ny fanondranana harem-pirenena, ary tsy namadika an’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fandrokidrokiana nataona firenen-dehibe, toy ny nataon’ny sasany. Sarotiny amin’ny fiarovana ny fiandrianana sy ny harem-pirenena, ary amin’izao fotoana izao dia tsy voagejan’ny fifanarahana maloto, toy ny fakana vodiondrim-barotra nahazoana vola hanaovana propagandy sandaina famarotana tanindrazana. Afaka miara-miasa amin’ny fomba madio sy mahitsy kosa amin’ny sehatra iraisam-pirenena, rehefa tonga filoha satria efa mipetrapetraka ny MAP 2 hanarenana ny firenena.Tohizana lalantsika ary tsy maintsy avotana ny firenena, hoy ny kandida laharana faha 25 Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.