Politique

Marc Ravalomanana «Tsy hiady amin’ny filoha aho»


  • Alakamisy 24 Septambra 2015

Nihaona tamin’ireo iraky ny SADC tonga eto amintsika Atoa Marc Ravalomanana omaly,teny amin’ny Tiko Tanjombato no nanatanterahana izany ; nahita-maso ny fahapotehan’ny Tiko noho ny fandrobana tamin’ny 26 janoary 2009 ry Dr Simao sy ny ekipany.

 

 Nilaza ny heviny momba ny orinasany sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ihany koa nandritra io fotoana io ity filoha teo aloha ity.Tazana teny an-toerana ihany koa ny masoivohon’i Afrika atsimo eto amintsika.

 

Tsy ampy fifampatokisana

Teboka roa nasongadin’i Marc Ravalomanana omly dia ny tsy mbola nampiharana ny fanonerana ireo lasibatry ny fandrobana taorian’ny 26 janoary 2009 nisian’ny alatsinainy mainty sy ny tsy fisitrahany ny satan’ny maha-filoham-panjakana teo aloha ny tenany izay voasoritra mazava ao anatin’ny tondrozotra. Tsy maintsy ampiharina ny tondrozotra ,hoy i Marc Ravalomanana, ka mila averina amiko ny fananako sy ny firovana ahy.Momba ny fifandraisany amin’ny filoha ankehitriny kosa dia nilaza i Dada fa tsy menatra mihitsy ny hanohana ny filoham-pirenena ny tenany saingy ny fifampatokisana no tsy  ampy.Notsipihany mazava tsara anefa fa tsy hiady amin’i Hery Rajaonarimampianina mihitsy ny tenany satria fantany fa tena sahirana ity filoha am-perinasa ity ;vonona hatranya min’ny fifampidinihana ny filoha nasionalin’ny TIM ary fantatra fa mety hisy ato ho ato ny fihaonany amin’ny minisim-panjakana Rivo Rakotovao.

Ampiharina ny tondrozotra

 

Nivoatra ny zava-misy na dia mbola mitoetra aza ny krizy eto Madagasikara, hoy dokotera Simao lehiben’ny ny iraky avy amin’ny SADC . Tsy ho voavaha anefa izany raha tsy mampiseho ny tena finiavana sy fahavononana ny rehetra, araka ny fanamarihany. Mifantoka amin’ny fjerena sy fanadihadiana ny fanatanterahana manontolo ny voalazan’ny tondrozotra moa ny dian’izy ireo eto amintsika. Nisy ireo fihaonana samihafa nataon’ny delegasionina tamin’ireo sokajin’olona nanasonia sy nanaiky ny fampiharana azy io hivoahan’ny firenena Malagasy ao anatin’ny fahasahiranana. Anisan’izany ny mpitondra fanjakana mpanatanteraka nahitana ny filohan’ny repoblika sy minisitra vitsivitsy mpikambana ao amin’ny governemanta.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT