Politique

Marc Ravalomanana Tsy adinon’ireo manamboninahitra niara-niasa taminy


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Tonga niarahaba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny Faravohitra ireo manamboninahitra niaraka niasa taminy teo aloha ny sabotsy teo.

 

 

 Amin’ny maha andron’ny manamboninahitra ny datin’ny faha 12 janoary dia tonga teny amin’ny trano fonenan’ity filoham-pirenena teo aloha ity izy ireo. Filoha faratampon’ny foloalindahy teo aloha rahateo ihany koa moa i Marc Ravalomanana anisan’ireo manamboninahitra teo anivon’ny tafika. Nisy ny fanolorana fanomezana nataon’izy ireo ho an’ny filoha Marc Ravalomanana dia gisa miisa 2. Tonga amin’ilay fomba fitenenana vahiny hoe “Le respect ne se gagne pas, ça se mérite.” na koa hoe ny haja amam-boninahitra dia natao ho an’izay mendrika izany fa tsy natao horombahina, hoy ny mpandinika ity fihetsika nitranga ny sabotsy teo ity. Nankasitraka ireto manamboninahitra tsy nanadino ny raiamandreniny ireto moa i Marc Ravalomanana ary nanamafy fa ny fanasoavana ny firenena no atao laharam-pahamehana manomboka izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT