Politique

Marc Ravalomanana Tsara fifandraisana amin’ny katolika


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

Tena mifandray ary mifampiresaka sy mifanakalo hevitra amin’ny fiangonana katolika i Marc Ravalomanana. Ao anatin’ny fifanajana sy fihavanana izany.

 

 

 

 Tsy mba manana olana amin’ireo Raiamandreny am-panahy, ka izy mivady mihitsy aza no niarahaba voalohany ny mpino katolika sy ny kristianina manontolo, ary nanatrika ny fandraisana ny Kardinaly Désiré Tsarahazana sy nirary soa azy hahaleo hahalasana amin’ny adidy sy andraikitra nankinina aminy tamin’ny fandraisana azy ny volana jolay. Vonon-kiresaka foana amin’ny fotoana ilana izany amin’ny maha olon’ny finoana azy, ary manoka-baravarana ho azy ny rehetra, toy ny nandraisan’ny S.E. Mgr Fidelis Rakotonarivo sy ireo pretra maro azy tao Ambositra ny 11 desambra teo, ary niara-paly sy niara-nifety noho ny tsingerin-taona faha-69-n’i Marc Ravalomanana. Toa ezahin’ny sasany hampifandrafesina anefa amin’izao ny hoe : ny kandida iray dia kandidan’ny fiangonana katolika ary i Marc Ravalomanana dia kandidan’ny FJKM, izay samy ao anatin’ny FFKM ihany. Azo adika ho fivoizana fifandrafiana ihany ireny, rehefa tsy dia mahomby ny fivoizana adim-poko. Ny fiangonana katolika rahateo, dia efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fihaonamben’ny tanora na ny JMJ tany Mahajanga ny volana oktobra lasa teo fa tsy manohana kandida ny fiangonana katolika. Nanamafy an’io ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Raha resaka fifandraisana amin’ny fiangonana na fanitsakitsahana ny hasiny, dia ny nataon’ny kandida iray amin’izao fotoana izao sy ny ekipany no heverina ary tsy azo lavina fa nahatezitra ny pretra sy relijiozy ary ny mpino maro, izay tsy avy amin’ny fiangonana katolika ihany fa ny kristianina manontolo. Tsy inona io fa ilay raharaha fitondrana basy tao amin’ny Episcopat Antanimena  ny 17 martsa 2009 nanaovana herisetra raiamandreny am-panahy, toy ny nandraisana tamin’ny vozon’ankanjony ny Pasitera Lala Rasendrahasina filohan’ny FJKM tamin’izany. I Marc Ravalomanana dia tsy hoe FJKM na protestanta irery ihany fa vonona hifandray amin’ny finoana rehetra, ary ireny niaraha-nahita ireny ny fanotronana ny hetsika samihafa toy ny JMJ tany Mahajanga, ka nandraisan’ny tanora maro azy tamin-kafaliana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT