Nandiso tanteraka ny feo mandeha ankehitriny ny profesora James Ratsimba, filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko omaly mikasika ny filazan’ny sasany fa tsy tian’ny any anindrana sy ny tambanivohitra ary ny manampahaizana ny kandida Ravalomanana.
Izy no tena tian’ny olona, hoy ity profesora ity ary manantena 80 % izahay aorian’ny fifidianana fihodinana faharoa satria efa tonga saina ny vahoaka ary mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Tsy adala aho manohana azy satria tsy te hahita ny firenena Malagasy hozarazaraina sy hamidin’ny kandida laharana faha-13 amin’ny vahiny eto. Naneho ny heviny niaraka tamin’ity profesora ity ireo mpandraharaha sy olona avy any amin’ny faritra ary ny tambanivohitra ka nilazan’izy ireo fa ny kandida Ravalomanana irery ihany no afaka hanavotra ny firenena sy hanafoana ny tsy fandriampahalemana misy eto amintsika. Mikasika ny fanehoan-kevitra hataon-dRatsirahonana amin’ny alatsinainy ho avy izao moa dia nanamafy ny profesora James Ratsima fa olona mpandainga sy mpamita-bahoaka ity farany ary efa diso fantatry ny maro loatra izy tamin’ny fametrahana ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena ka tsy mahaliana intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.