Politique

Marc Ravalomanana Tiana hogadraina mandrapahafaty ?


  • Alatsinainy 03 Novambra 2014

Nivadika ho fanenjehana ara-pitsarana ankehitriny ilay lazain’ny mpitondra fanjakana fa fikatsahana fitoniana hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Fihetsika feno fihatsaram-belatsihy no andraisan’ny zanak’i Dada

izany ary mampibaribary ny finiavan’ny fitondrana Rajaonarimampianina tsy hanatanteraka ny voalazan’ny tondrozotra, na efa lalàna izao aza. Aleon’ny fitondrana Rajaonarimampianina mamitram-pihavanana amin’ny dahalo mpamono olona sy mpandroba ary manome fahafahana azy ireo, izay nanaovana dokambarotra tamin’ny haino aman-jerim-panjakana, toy izay amin’ny filoha voafidim-bahoaka Marc Ravalomanana sy ny mpomba azy. Miditra amin’ny faha-23 andro amin’ity anio ity izao ny nisamborana tamin-kery an’ny filoha Marc Ravalomanana tao an-trano fonenany teny Faravohitra ary teo imason’ny fianakaviany ka nigiazana azy any an-toby miaramila any Antsiranana. Hatao famotorana any an-toerana izy amin’ity herinandro ity.

Mbola ankamantatra

Mbola ankamantatra hatreto ny anton’ny famotorana ny filoha Ravalomanana fa dia noboriboriana fotsiny hoe : “noho ny raharaha mahakasika azy”. Resahin’ny mpitondra ombieny moa ny hoe : niditra an-tsokosoko teto Madagasikara. Nahitsy ny valin-tenin’i Benjamin Andriamihanta, mpitsara, fa “Olom-pirenena Malagasy feno Atoa Marc Ravalomanana, manan-jo hiditra sy hivoaka malalaka ny fireneny. Sa mersenera sa mpananibohitra sa terôrista no iheveran’ny mpitondra azy ?” Ny amin’ny hoe : naterin’ny fiaramanidina tsy nahazo alalana Atoa Marc Ravalomanana. Mametra-panontaniana i Benjamin Andriamihanta : “nanofa fiaramanidina izy sa nividy tapakila dia nandeha tamin’ny zotram-piaramanidina ? Amin’ireo tranga roa ireo anefa dia mazava fa mpandeha tsotra Atoa Marc Ravalomanana fa tsy tompon’ny fiaramanidina, noho izany dia fifanaraham-pitaterana (Contrat de transport) no resaka eto. Mazava ny voalazan’ny lalàna momba an’io. Ny tompon’ilay fiaramanidina sy ny Fitsarana no mifanazava momba ny taratasy fahazoan-dalany hisidina…, fa tsy misy idiran’ny mpandeha tao anatiny”. Misy milaza moa fa irony karazam-piaramanidina Cessna irony no nitondra ny filoha Ravalomanana niala tany Johannesbourg. Raha izay no izy dia tsy mampino, hoy i Benjamin Andriamihanta, ny hoe : “ampy nanaovany sidina mandroso sy miverina ny solika tao anatiny, fa tokony nanampy solika (refueling) teto Madagasikara io fiaramanidina io. Ka maninona no tsy tamin’izay dia nosakanana tsy hisidina ? Sa kosa nampibaribary ny gaboraraka amin’ny fiarovana ny sisintany Malagasy ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana, ka misy mahatsiaro ho afa-baraka dia mitory”. Misy moa ny mihevitra fa valifatin’ny tamin’ny 2002 nanesorana tsy ho Tale jeneralin’ny Air Madagascar ny Tale jeneralin’ny ACM amin’izao fotoana io, atao mba hampitsefotra ny fampihavanam-pirenana. Handeha moa ny famotorana ka dia ho fantatra eo ny tena antony. Nihazo an’Antsiranana omaly ireo mpisolovava roalahy, Me Randrianarivelo Désiré sy Andriamadison Hasina, hiatrika ny famotorana azy. Hanainga rahampitso talata ihany ny andiany manaraka, ahitana solombavambahoaka. Amin’ny fotoana toy izao rahateo no tokony hijoroan’ny tena mpomba azy, satria i Marc Ravalomanana izany izao no filoham-pirenena voafidim-bahoaka voalohany hiatrika Fitsarana eto Madagasikara. Efa namerimberina moa ny tenany fa vonona hiatrika fitsarana fa mitaky kosa mba ho Fitsarana mahefa, tsy miandany, mahaleotena no hitsara azy hivoahan’ny tena fahamarinana amin’ny zava-nitranga tamin’ny 2009.

Misy matahotra ny hivoahan’ny marina

 Miakatra ny feo ao amin’ny Magro Behoririka manoloana izany. “Tena efa sangy mihoatra ny loha izao”, hoy i Guy Roger. “Tsy hanaiky izany izahay fa avereno ao an-tranony i Dada”, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony. Nanamafy izany ny solombavambahoaka teo aloha voafidy tao Ambatolampy, Rakotomandimbindraibe Mamisoa  fa “Misy fetrany ny fahanginana, satria mamaky ady amin’ny zanak’i Dada ny fitondrana”. Hilarion Rarison tetsy an-kilany namaky bantsilana fa “matahotra ny hivoahan’ny tena fahamarinana takian’i Marc Ravalomanana ny fitondrana”, ka manao izay handetehana azy ara-pitsarana, ary dia hialokaloka ao ambadiky ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ny filohan’ny Repoblika faha-4. Mahantra fadiranovana anefa ny vahoaka, ary potika ny firenena. Manoloana izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia fantatra ihany koa fa hanao fihetsiketsehana manoloana ny foiben’ny Firenena Mikambana momba ny zon’olombelona ao Genève (Soisa) ny Vondron’ny Tia Tanindrazana amin’ny alakamisy 6 novambra ho avy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT