Ao anatin’ny fifidianana isika amin’izao fotoana izao na tsy fotoanan’ny fampilezan-kevitra aza.
Samy manana ny mety ho mampiavaka azy ny kandida rehetra, saingy tsy fandokafana be fahatany fa miavaka i Marc Ravalomanana. Manohana azy ny olona maro manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena na dia maro aza no tsy misehoseho. Babony ny any ambanivohitra amin’ny faritra maro manerana ny nosy, ary efa hatramin’ny 2001. Mbola tena mafy be ny fototry ny TIM isam-pokontany. Ny Tanora TIM ihany koa tena miroborobo, ary tsy ny tanora ihany fa ny sokajin’olona rehetra no manohana azy. Maro no resy lahatra fa mahavita mamorona asa izy ary olona tsy hanaiky ny hametsifetsena ny Malagasy izany mihitsy. Sahy ary tsy mikoso-maso eo anatrehan’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena, ary tsy mbola nisy teto hoe filoha nahasahy nandroaka masoivoho vahiny, toy ny nandroahany ny masoivoho Frantsay Gildas Le Lidec tamin’ny 2008. Nambara fa nanao didy jadona rehefa nampihantra ny atao hoe tany tan-dalàna, kanefa maro amin’izao fotoana izao no tonga saina fa hafa ihany tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana. Nilamina sy nirindra kokoa ny fiarahamonina. Tan-dalàna ny vahoaka ary mankato ny lamina napetraka. Raha handray ohatra iray isika, dia ny mikasika ny fitaterana an-tanàn-dehibe. Nofanina manokana ny mpamily sy ny mpanampy azy ho an’ny fitateram-bahoaka tany amin’ny taona 2004, ary hentitra ny fanaraha-maso. Hentitra ny resaka sazy momba ny fanembantsembanana ny fifamoivoizana ho an’ny teto an-drenivohitra, hany ka tsy dia nahitana ireny fiara mibahan-dalana manerana ny sisin’arabe ireny. Raha resaka fampandrosoana ny firenena sy ny fiantraikan’izany tamin’ny fiainam-bahoaka, dia tsy hisy mpitondra sahy hiteny sy hilaza fa nahavita be noho izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.