Politique

Marc Ravalomanana Terena ho resy tsotr’izao…


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Ny marina marina ihany, ary izay no takian’ny kandida Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy manoloana ny hosoka sy halatra bevava tamin’ny fifidianana.

 Toa voafahan-dalitra hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay manao fomba fiteny sy fanehoan-kevitra ara-diplomatika satria izy no anisan’ny namatsy vola ny fifidianana ka dia milaza izy ireo fa nilamina tamin’ny ankapobeny. Vitsy ary tsy nahenika an’i Madagasikara ny fanaraha-mason’ny vahiny ary tsy ampy 10% amin’ny birao fandatsaham-bato aza. Efa tsara petrapetraka kosa ny hala-bato sy ny hosoka. Raha ny endrika ivelany dia nilamina tokoa saingy tsy izay ny zava-misy raha ny fahadiovana sy fangaraharan’ny fifidianana no halalinina fa nisy ny hosoka faobe. Toa teren-ko resy, araka izany, ny kandida Marc Ravalomanana amin’ireny hosoka ireny. Ezahina sakanana amin’ny fomba rehetra ny famoahana ny marina sy ny porofon’ny hosoka. Niainga teny amin’ny Vaomiera mpikarakara ny fifidianana (CENI), dia efa natao izay tsy hisian’ny fampitahana ny vokatra ahitana ireo hosoka samihafa, ka navoaka haingana dia haingana ny vokatra tsy hitohizan’ny fikarohana ny marina. Toa mihorohoro sy toran-kovitra indray ny mpangalatra sy ny mpanao hosoka ka mampiasa hery hisakanana ny famoahana ny marina. Tsy manana fanadiovan-tena azo aroso rahateo eo anatrehan’ireny ka ny hany vahaolana dia ny fanaovana izay sakana rehetra tsy hahalalan’ny isam-batan’olona ny zavatra mamohehitra natao, ary mampiasa hery hampanekena ny kandida Ravalomanana sy ny vahoaka hanaiky hilefitra eo anatrehan’ny tsy rariny sy hosoka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT