Politique

Marc Ravalomanana Tena olon’ny fihavanana


  • Alarobia 09 Janoary 2019

Nivoaka ny didy avy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) omaly, didy tsy azo ivalozana. Lany ho filoham-pirenena hitantana an’i Madagasikara mandritra ny 5 taona i Andry Rajoelina.

 

 

 

 

 Nanatrika am-pitoniana ny lanonana teny Ambohidahy omaly Atoa Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny, tsy naneho hevitra aloha na dia nandrasan’ny maro fatratra aza izany.Nasehony kosa anefa tena legalista izy, manaja ny lalàna, tia fihavanana ary manalavitra ny ady sy fifandrafiana; mafy ny nanjo azy sy niainany tato anatin’ny 10 taona, naongana tamin’ny basy aman-tafondro teo amin’ny fitondrana, norahonana ho faty, tsymaintsy nandeha sesi-tany, rehefa tafaverina an-tanindrazana indray dia nosamborina sy nogadraina; tsy resahan aintsony ny famotehana ny fananany.Nijoro hatrany amin’ny maha ray aman-dreny sy maha olon’ny fihavanana azy anefa i Marc Ravalomanana. Nanatona sy nifampiresaka tamin’ireo mpanao olona noheverina fa mpifahavalo politika aminy, niantso ireo mpiara-dia taminy fahiny nandao ny vala ihany koa izy ary mbola nanokatra varavarana ho an’ny ankolafy na firehana hafa. Tanjona ny fanarenana sy fanavotana an’i Madagasikara izay tsy vita raha tsy hifanampiana. Nijoro izy ka nitondra ny feon’ireo Malagasy maro be resy lahatra amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny famerenana ny hasin’ny maha Malagasy, Malagasy tompon’ny taniny sy ny harena ao aminy.Maro ny trangana kolikoly, hala-bato, hosoka nezahan’ny K25 mpiara-dia aminy naseho sy noporofoina nandritra ny fifidianana ka mety nahatonga ny fitsimbadihan’ny isam-bato. Namoaka ny fanapahan-keviny moa ny HCC, nanatrika teo omaly i Marc Ravalomanana, nilamina izy, nitsiky izy namonjy fodiana am-pilaminana.nanaporofo fa tena demokraty ary sahy miatrika ny zava-drehetra. Fihetsika izay tsy fahita firy na tsy fahita mihitsy aty amin’ny kontinanta afrikanina. Azo noeritreretina iray segondra monja ve hoe nahavita nilamina sy tony tahaka izany ny kandida an-kilany raha resy tamin’iny voka-pifidianana teo iny ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT