Mitombo hatrany ny olona resy lahatra amin’ny kandida Marc Ravalomanana manerana ny lafivalon’ny Nosy, ary maneho fahavononana handrotsa-bato sy hiaro ny safidiny hatramin’ny farany.
I Fenoarivo Atsinanana, Maroantsetra, Mandritsara, Antalaha,… no nanaovany fampielezan-kevitra omaly, izay nanomezany toky ny vahoaka tsy tambo isaina mametraka fitokisana aminy fa tena hanasoa ny tanindrazana izy. Tsy arakaraka ny fampiadiana azy amin’ny Malagasy fa manao ranolava ny fanohanana ataona olom-boafidy, mpanakanto, fikambanana,…eny vahoaka mihitsy. Hita taratra any anaty tambajotran-tserasera ny fitomboan’ny mpanohana satria tonga saina tsikelikely ny olona eo anatrehan’ny fampanofinofisana samihafa ataon’ny sasany, ka na mpanao izany aza toa niova fomba firesaka, ka tonga hatramin’ny fangalana tahaka. Resy lahatra amin-dRavalomanana ny tantsaha ary azo antoka fa hifidy tambanivohitra ohatr’azy ihany satria niainga tamin’ny tsy nisy i Marc Ravalomanana amin’ny maha tantsaha sy mpiompy ary mpivarotra ronono tany ambanivohitra azy. Mahalala tsara ny fiainan’ny Malagasy izay tantsaha ny 80% mahery, ary tsaroana fa tamin’ny androny no voatsinjo indrindra izy ireo. Nisitraka tosika sy tantsoroka tamin’ny alalan’ny PSDR ny tantsaha Malagasy tamin’ny fotoan’androny ka novatsiana fitaovana, masomboly, zezika … Fa mba inona no nataon’ny sasany ? Tsaroana ny fifaninanana masina tamin’ny famokaram-bary ka teny Iavoloha mihitsy no fitaratra ary mbola notohizan’ny fanjakana HVM io taty aoriana. Nitotongana tanteraka ny famokarana taorian’ny fanonganam-panjakana, ka tsy i Marc Ravalomanana izay naongana sy nodorana fananana ary lasa sesitany irery no lasibatra. Na nopotehina aza izy mbola tafarina ary voaporofo hatrany fa ny herim-pony no hampiasainy satria 9 taona izy tsy teo amin’ny fahefana saingy mahavita zavatra, izay manaporofo hatrany fa fanosoram-potaka no natao azy taloha. Zavatra tsy maharitra sy petatoko hakana ny fon’ny olona amin’ny alalan’ny famarotana vary mora tahaka ny natao tamin’ny 2009 kosa no ataon’ny an-kilany amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao mba hahazoana vato. Ekena fa mety ilaina ny fampanofinofisana amin’ny hoe : « building », Toamasina hatao tahaka an’i Miami … Tsy mbola mahamaika izany raha mbola vahoaka mahantra sy noana no miaina eto amin’ity Madagasikara ity. Na ny kandida niteny an’izany aza toa tsy miteny an’ireny intsony. Mba nisy tamin’ny fehezantenin’iny kandida iray iny ve maneho ny fitsinjovana ny tambanivohitra izay maro an’isa ? Toa hafahafa indray ny nambara tany amin’ny faritra Alaotra fa hizarany tany 10ha avy indray, hono, ny olona. Azo antoka indray ny mety hisian’ny saritsarim-pihetsika hakana ny fon’ny tantsaha. Efa fantatry ny olona anefa ny tena hanasoa azy sy ny hanambaka sy handroba ny hareny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.