Politique

Marc Ravalomanana Tampenam-bava ao amin’ny RNM sy TVM


  • Zoma 03 Jolay 2015

Mitohy ny fanapenam-bava ! Milatsaka ny baiko. Tsy azo alefa ao amin’ny haino amanjerim-panjakana (RNM sy TVM) intsony ny vaovao mikasika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy izy ihany fa miitatra any amin’ny antoko Tiako I Madagasikara

 

. Nisesy ny fanaovan’ity antoko ity kongresim-paritra tato ho ato. Tany Miarinarivo Itasy ny alarobia. Tany dia efa narirariran’ny solontenam-panjakana tsy nomena fahazoan-dalana, noho ny “baiko tsy maintsy tanterahina” fa “mena ambanin’ny mena”, hono. Nitohy teny amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina – Antananarivo Renivohitra ny fihaonan’ny Birao nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ny mpikambana eny ifotony, sady fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly hatao amin’ny 31 jolay ho avy izao. Nisy mpiasan’ny haino amanjerim-panjakana tonga nandraikitra am-peo sy an-tsary ny zava-nisy teny an-toerana, saingy mazava ny toromarika azon’izy ireo fa tsy azo alefa amin’ny RNM sy TVM izany. Talohan’io dia niverina indray ny fanelingelenana ny haino aman-jery MBS, fananan’i Marc Ravalomanana taorian’ny taratasy navoakan’ny minisiteran’ny serasera misintona ny fahazoan-dalana teo am-pelatanan’ny MBS hahazo handefa fandaharana. Vokany, moana tanteraka na ny radio na ny fahitalavitra. Misy ihany feo heno eo amin’ny onjampeon’ny MBS, saingy radio hafa. Nitondra ny raharaha eny amin’ny Filankevi-panjakana ny mpitantana eo anivon’ny MBS. Ny fahalalahana hiteny sy haneho hevitra, sy ny zo hahalala vaovao ary ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay zo fototra omen’ny lalàmpanorenana Malagasy mihitsy eto tsy voahaja. Tenenina am-bava fotsiny indray ve izany ilay fampihavanam-pirenena, raha misy ny fanilikilihana toy izany ? Fitoniana inona ihany koa no andrasana amin’izany, tsy hahafaly ireo mpanara-dia ity filoha teo aloha ity rahateo izao antsojay atao aminy izao ?


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT