Mahatoky Alaotra Mangoro fa ny fampihavanam-pirenena ihany no vahaolana hivoahantsika amin’izao krizy eto amin’ny firenena izao ka dia mankahery ny Ffkm ny Gaonan’Alaotra hanatanteraka tsy amin’ny ahiahy izany fa izy ireo ihany koa no eken’ny rehetra teny ny amin’izany.
Mikasika ny filoha Marc Ravalomanana dia angatahan’Alaotra Mangoro, hoy ny MCT teo aloha Rasoamalala Brenda, ny hampodiana azy eny Faravohitra fonenany mialoha ny faha-12 desambra fitsingerenan’ny taona nahaterahany. Marihina fa manao fitsidihana tanàna maro any Alaotra Mangoro ankehitriny ity MCT taloha ity mitondra fanazavana ho an’ny vahoaka eny ifotony mikasika ny zava-misy marina momba ny raharaha Marc Ravalomanana ka nilazany mazava fa olona madio tsy nandray anjara velively tamin’ny raharaha 26 janoary sy 7 febroary 2009 iny lehilahy iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.