Nihaona tamin’Atoa Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra omaly maraina ny solontenan’ny vondrona Afrikanina (UA) eto amintsika Rtoa Hawa Ahmed
, izay vao avy nanatrika ny fivorian’ny vondrona Afrikanina tatsy Johannesburg Afrika atsimo .Tsy mankasitraka velively ny korontana ny vondrona Afrikanina hoy Rtoa Hawa Ahmed ;fantatra moa fa niresaka maharitra momba ny “fitoniana” eto Madagasikara ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao. Tsiahivina ihany fa niantso ny rehetra eto Madagasikara mba hanaiky ny didy navoaky ny HCC farany teo ny vondrona Afrikanina no sady nanentana ny amin’ny hikaroham-bahaolana hametrahana ny fitoniana, fa izay no fepetra hanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena antsika. Nanambara moa io omaly io i Marc Ravalomanana fa vao nandalo krizy lalina ny firenena ka latsaka anaty fahantrana lalina koa dia mila fitoniana .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.