Politique

Marc Ravalomanana sy ny Alemana Mihaona matetika, inona no tsiambaratelony ?


  • Alarobia 30 Septambra 2015

Nihaona tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenan’ity farany eny Faravohitra omaly talata maraina ny ambasadaoro alemana miasa sy monina eto Madagasikara. Fihaonana fanindroany teo amin’ny roa tonta io tato anatin’ny efatra andro.

 


Mifampatoky

 Vao ny zoma 25 septambra teo ity diplaomaty ity no tonga teny Faravohitra nihaona sy nifampidinika tamin’Atoa Marc Ravalomanana. Naharitra adim-pamantaranandro roa mahery ny fihaonana omaly. Fihaonana izay tsy azon’ny mpanao gazety natrehina. Inona no anton’izao fifanatonana matetika izao ? Raha zohina tamin’ny fanazavan’ny filoha Ravalomanana taorian’ny fihaonan’ny roa tonta tamin’ny zoma izay nilazany fa “tsy vaovao amiko ny Alemana satria izy no mpiara-miasa amiko”, dia manan-danja ao anatin’izany ny fifampitokisana. Matoa anefa mitoetra izay fifampitokisana izay dia misy ny mangarahara sy ny fahaiza-mitantana toy ny tamin’ny nitantanan’Atoa Marc Ravalomanana an’i Madagasikara nandritra ny fito taona naha filoham-pirenena azy.

Hanampy

 Zava-dehibe, fototry ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa ho an’ny firenen-dehibe toa an’i Alemaina io mangarahara sy ny fahaiza-mitantana io. Nivoitra tamin’ny fihaonan’ny roa tonta farany fa hisy manampahaizana avy any Alemana hanampy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ity farany amin’ny fampandrosoana an’Antananarivo sy fanatsarana ny fiainan’ny mponina ao aminy. Heverina fa tafiditra amin’ny fanomanana ny fanatanterahana izany ity fihaonana omaly ity. Tsiahivina moa fa talohan’ny fifidianana Ben’ny tanàna dia nisy ny fiofanana nataon’i Neny tany Alemana momba ny fomba fitantanana ny tanàna.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT