Efatra andro nahatongavana any Antsiranana izao ireo mpisolovava mirahalahy an’ny filoha Marc Ravalomanana, dia Me Désiré Randrianarivelo sy Me Hasina Andriamadison fa tsy mbola tafahaona mba niresaka tamin’ny olona arovany izy ireo
Ny hiatrika ny famotorana lazaina hatao amin’ny filoha Marc Ravalomanana, araka ny fitorian’ny ACM anefa no nampahafantaran’ny teo anivon’ny zandarimaria sy ny fiadidiana ny Repoblika azy ireo, ka nahatongavan’ireto mpisolovava ireto any Antsiranana hatramin’ny alatsinainy teo. Hatreto aloha na famotorana aza tsy miainga, satria re indray izao fa fitoriana olon-tsy fantatra na “Plainte contre-X” no nampanaovina ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Etsy an-kilany, ny mpitsara any Antsiranana, milaza ho tsy mahefa amin’ny raharaha. Tsy fanaovana fitaovana ny fitsarana mba ho fitazonana fahefana ve no ao ambadik’izany rehetra izany ? Mihambo ho tan-dalàna sy manaja ny fahaleovantenan’ny fitsarana anefa ity fitondrana mijoro ity. Na ny zon’ny voampanga aza anefa ity tsy hajaina, dia io tsy afa-bela nanoloana ny Filankevitry ny firenena mikambana momba ny zon’olombelona io i Madagasikara, satria variana amin'ny zon'ny mpitondra ka tsy hita ny zon'olombelona. Ireo gadra politika, isaorana ny mpitondra fa tsy misy intsony satria tsy nolazaina. Nefa dia hitam-poko hitam-pirenena ny fisian'ny gadra politika. Ny fanagadrana mpanao gazety moa manginy fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.