Politique

Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina Nifandamina tany Nosy-Be omaly


  • Talata 16 Desambra 2014

Miroso ny fampihavanam-pirenena ady gasy ! Nifanatona sy nifampiresaka manokana tany Nosy-Be, omaly, ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Hanao sidina andrana ny fiaramanidina vita kanadianina, karazany “Bombardier” an’ny Air Rwanda (Rawadair) no nialan’i Hery Rajaonarimampianina teto Antananarivo nihazo an’i Nosy Be. Fiaramanidina manokana (Jet privé) kosa no nitondrana an’i Marc Ravalomanana niala tao Antsiranana nihazo ny Nosy manitra. Tao anatin’ny ankiafinafina tanteraka no nanatanterahana ny dian’ny roa tonta ary hentitra dia hentitra ny fiarovana. Ho an’i Hery Rajaonarimampianina dia nasaina niandry azy tao amin’ny hotely Ravintsara ireo mpiara-dia sy mpitsena any Nosy-Be fa izy nihazo an’Andilana. Ho an’i Marc Ravalomanana indray dia natohoka avy hatrany teo am-baravaran’ilay “Jet privé” nalefan’ny fanjakana nitondrana azy ny fiara 4x4 naka azy tao amin’ny “Amirauté” nankao amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart, ka tsy nisy nahita ny endriny. Toy izay koa tamin’ny niverenany tao Antsiranana, omaly ihany. Mbola nijanona any Nosy-Be kosa i Hery Rajaonarimampianina, ary anio vao hiverina eto an-drenivohitra, ary hitsidika orinasa eny Ivato eny avy hatrany ny tolakandro.

Fanomezana krismasy lehibe

Naharitra adim-pamantaranandro iray teo ny fihaonan’ny roa tonta. Tsy nisy nipika ny resaka saingy inoana fa tafiditra amin’ny lojikan’ny fampihavanam-pirenena sy ny fanatanterahana ny tondrozotra. Efa samy naneho fahavononana hifampiresaka rahateo ny an-daniny sy ny an-kilany. Azo antoka fa voaresaka nandritra ny fihaonana ihany koa ny famoahana ny filoha Ravalomanana hiverina eo anivon’ny fianakaviany. Raha ny re dia tsy mametraka olana amin’izany loatra intsony ny fitondram-panjakana saingy tsy mbola eny Faravohitra no mety aminy, fa na Manjakatompo Antsirabe na Imerinkasinina. Andrasana ny vokatry ny fifampiraharahan’izy roalahy tany Nosy-Be hisian’ny fitoniana sy handaminana ny firenena. Fanomezana krismasy lehibe ho an’ny zanak’i Dada sy ny Malagasy miandrandra fitoniana ny hivoahan’ny filoha Ravalomanana mialoha ny Krismasy. Roa volana rahateo izy izao no notazonin’ny fanjakana any Antsiranana. Any Antsiranana efa herinandro koa ny vady aman-janany miandry ny fivoahany. Ankoatra izay dia hanamora ny asan’ireo ray aman-drenim-piangonana eo anivon’ny FFKM amin’ny fampihavanam-pirenena izao efa fifanatonana eo amin’ireo filoha roa tonta izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT