Miverina indray ny antsojay ataon'ny fitondrana. Lasibatra voalohany amin'izany ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin'ny antoko Tiako I Madagasikara Marc Ravalomanana.
Tokony hihaona amin'ny mpikambana Tiako i Madagasikara sy hanome tsodrano sy toromarika ireo kandida ben'ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly hitondra ny fanevan'ny antoko manerana ny kaominina ao anatin'ny distrikan'Arivonimamo ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana amin'ity zoma 29 mey ity, fihaonana tokony hatao ao Arivonimamo.
Miverina ny sakantsakana
Nilatsaka anefa ny baiko fa tsy azon'Atoa Marc Ravalomanana ny mamory olona any Arivonimamo na ankalamanjana na anaty trano na anaty toerana mifefy. Nolazain'ireo solontenam-panjakana ao an-toerana fa dia mila manao fangatahana 48 ora mialoha ny andro hanaovana famoriam-bahoaka raha te hihaona amin'ny mpikambana ao amin'ny Tiako i Madagasikara antokony Atoa Marc Ravalomanana. Gaga ny rehetra manoloana izany ary mametra-panontaniana hoe f'angaha moa tsy efa nofoanana ny didim-panjakana manageja an'Atoa Marc Ravalomanana no miverina indray ny sakantsakana ? Maro rahateo ny famoriana mpikamban'ity antoko ity nialoha izao, nanomanana ny fisafidianana ireo kandida harotsaky ny Tiako i Madagasikara amin'ny fifidianana kaominaly, saingy tsy nampiharana fepetra toy izany fa azo notanterahina tsy nisy fanakantsakanana. Vokatr'io anefa dia foana ny dian'Atoa Marc Ravalomanana any Arivonimamo tokony hihaonany amin'ireo mpikambana sy hitsofany rano ireo kandida amin'ny fifidianana kaominaly.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.