Politique

Marc Ravalomanana Ontsa amin’ny toerana misy an’i Madagasikara


  • Zoma 05 Jona 2015

Tsy nanafina ny alahelony amin’ny toerana misy an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ny filoha Ravalomanana raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tao Antsirabe.

 “Mampalahelo sy mahamenatra ny toerana misy antsika. Na dia eto anivon’ny ranomasimbe Indianina aza efa hihoaran’ny olona isika. Efa nilaozan’i Maorisy sy La Réunion isika izao, ary ireo hafa efa mitady hihoatra antsika ihany koa nefa isika no lohany teo aloha. Etsy an-daniny, tsy hita tabilao isika eo anivon’ny Sadc kanefa misy firenena. Misy mpikambana ao amin’ny Sadc azontsika hihoarana tsara, farafaharatsiny isika mba laharana faha fito ao amin’ireo mpikambana ao anatin’io vondrom-paritra io. Tanjona ho azy, raha ny nambarany ny hamerina an’i Madagasikara eo amin’ny toerana misy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nohamafisiny fa vonona hiara-kiasa  amin’ny fitondrana foibe izy raha mitovy ny tadin-dokanga. Ny olana dia ny tsy fifampitokisana mitarika fisalasalana. Tokony ho mpirahalahy mianala amin’ny fampandrosoana ny rehetra ary tsy tokony hisy krizy izany intsony eto. Mila hafanganina ny fifampiresahana dia miara-miasa satria nataon’olombelona io olan’ny andrim-panjakana io ka vahana ihany koa. Nasiany resaka moa ny momba ny fampihavanam-pirenena nataon’ny FFKM farany iny ka nilazany fa ankasitrahany tanteraka ny vokany satria olon-kendry ireo mpitondra fivavahana ireo. 


Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT