Ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy Lokomby, Faritra Atsimo Atsinanana no nanaovan’ny kandida laharana-25 Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra omaly Alakamisy 18 Oktobra 2018 maraina.
Tao Faranfangana nampahafantarina ny mponina ilay « Fanomezan-toky » izay paikady hentina hampandrosoana an’i Madagasikara. « Manantena aho, hoy ny kandidà Marc Ravalomanana, fa ho 80% ny vato homenareo ahy”. Nampanantena ihany koa izy fa hanangana orinasa hanodinana ny vokatra satria tany mamokatra i Farafangana ary hitady lalam-barotra hanondranana izany. Ny mponina tao Lokomby kosa dia nangataka ny hanaovana an’i Lokomby ho Distrika. Ho hita eo izany, hoy izy, fa hiverina aty aho dia hampatsiahy aminareo hoe: “ity ilay nifanarahantsika”. Mandritra izany dia manohy ny fampielezan-kevitra ihany koa ny mpomba ny kandidà Marc. Efa nitondrana an’ity firenena ity aho nandritra ny 7 taona, ary nahavita làlana 10000km latsaka, ary mahavita làlana 1000km isan-taona aho, hoy kosa i Marc Ravalomanana tany Vondrozo. Hamboarintsika indray ny làlana eto Vondrozo satria tokony hamokatra be, ary tena tsara ny tanàna. Haverina ny fandriampahalemana satria lehilahy afaka miresaka amin’ny mpitandro filaminana, amin’ny any ivelany, amin’ny mpanam-bola aho, hoy izy. Hohatsaraina ny fitsarana mba tsy hanao fitsarana mitongilana na hanao kolikoly. Hiaro ny olona sy ny fananany isika satria raha misy Malagasy iray misy mampijaly na maka an-keriny, dia ataony mahamay. Hanao fanekena amin’ny vahoaka ihany koa izy fa hiantohana ny fahasalamana ho zakan’ny rehetra ny sarany. Io lehilahy io no hampihanatra indray ny zanantsika, hoy I Marc Ravalomanana, ary hampitoviana daholo hoe zanaky ny manana na tsy manana. Homena ambioka sy zezika ny tantsaha mba hahafahany mamokatra. Tsy hamadika anareo aho ary tsy hamitaka anareo fa olon’Andriamanitra, fa mitana ny teny nomena, hoy izy mantsy ny vahoakan’I Vondrozo. Nohamafisiny fa tsy misy amin’ireo mmpifaninana aminy no manana ilay “manifesto” na fanomezan-toky ho an’ny vahoaka. Tsy misy amin’ireo sahy milaza hoe hampitombo ny vola any am-paosinareo, fa izao hanao izany, hoy izy. Hanangana orinasa isika, ary homena asa avokoa ny olona hahafahana manao izany, hoy izy. Tany Vangaindrano ihany kosa dia nanamafy ny antoka hahafahan’i manamafy ny fampandrosoana an’I Madagasikara ny tenany, ary tena izy amin’izay no kandida fa tsy “rempalaçant” fa izao efa isika mihitsy no miaraka, hoy izy. Notsiahiviny ny fahaiza-manaony amin’ny resaka fifandresen-dahatra amin’ny mpiara-miombon’antoka, ka isan’izany ny nahavitany nanafoana ny trosan’i Madagasikara mahatratra 5 miliara dolara. Eto Antananarivo sy ny manodidina ka anisan’izany ny ao amin’ny distrikan’ Andramasina izay hanao izay hiverenan’ny kandidà laharana faha-25 hisalotra ny maha filohan’i Madagasikara indray. Ny ao Soavina kosa dia mitaraina noho ny fefiloha vaky matetika sy olana eo amin’ny rano fisotro madio ary ny resaka ady tany ka hanao izay hampandresena ny kandidà Marc Ravalomanana izay hany azo antoka fa hahavaha ny olana rehetra nampitondra faisana ny Malagasy tato anatin’ny sivy taona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.