Politique

Marc Ravalomanana Olon’ny taona 2014


  • Sabotsy 03 Janoary 2015

Atoa Marc Ravalomanana no olona tena nisongadina indrindra teto Madagasikara tamin’iny taona lasa ny raha ny raharam-pirenena sy ny politika no resahana. Tsy hiadian-kevitra ny amin’io ! Antony iray goavana hahafahana miteny izany moa ny nahatanteraka ny teny nomeny fa tsy maintsy tonga eto Madagasikara izy, ary dia tanteraka tokoa izany ny 12 oktobra 2014. Nisy ihany ny nanatsatso sy naneso mihitsy aza fa hoe mampiseona raha izay ingahy Ravalomanana fa tsy hiverina eto Madagasikara izany intsony izy satria efa milamina any Afrika Atsimo.

Dingana lehibe

Tsy omen-tsiny ireny sokajin’olona sasany ireny satria tsy mbola tena nahafantatra tsara hoe : iza moa i Marc Ravalomanana ? 66 taona amin’ity 2015 ity i Marc Ravalomanana, ny volana desambra 1999 izany hoe 16 taona lasa izay no nidirany voalohany tamin’ny sehatra politika ka nahavoafidy azy ho Ben’ny tananan’Antananarivo. Mpandraharaha, filoha mpanorina ny orinasa Tiko no nahafantarana azy mialohan’izay. 2 taona taorian’io izany hoe tamin’ny 2001 dia nanapa-kevitra fa ho kandida filoham-pirenena indray i Marc Ravalomanana, ary dia ny filoha am-perinasa Atoa Didier Ratsiraka moa no tena mpifaninana mivantana taminy. Nisy ny fifandirana teo amin’ny resaka voka-pifidianana. Nijoro ny Malagasy niaro ny safidiny ary dia nivoaka ho mpandresy tamin’izany i Marc Ravalomanana ary napetraka tamin’ny fomba ofisialy amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy ny 6 mey 2002.

Izay mahasoa ny firenena

Niavaka ary tena hafa ny fomba nitantanan’Atoa Ravalomanana ny firenena. Tsy mba be kabary politika mampanantena an’izatsy na izaroa izy fa efa tena nilaza mazava mihitsy fa mila miasa sy mila mifehy kibo ny Malagasy. «Ny mahasoa no atao fa tsy ny mahafinaritra», hoy izy. Tena havanana eo amin’ny fifampiraharahana amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny i Marc Ravalomanana. Samy miaiky izany ny rehetra. Vitany ny namafa ny trosan’i Madagasikara ary mbola nitobaka ny famatsiam-bola avy any ivelany. Fanamby goavana napetrany ny fanamboaran-dalana mirefy 15 000 km manerana ny Nosy. Goavana ny tetikasa azo antoka anefa fa vita tsara raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Tsy io ihany anefa, fa nanana ny fandaharan’asa Madagasikara am-Perinasa na ny MAP ny filoha Ravalomanana, izay voarafitra tamin’ny novambra 2006, nataony indrindra mba hanantanterahana ilay fampandrosoana haingana sy maharitra an’i Madagasikara. 5 taona no hanatanterahana ny MAP, 8 miliara dolara ny vola ilaina ary efa teo am-pelatanana ny 3 miliara dolara tamin’ny 2008. Hatramin’izao aloha dia hita sy tsapa fa ny MAP ihany ny fandaharanasana filoham-pirenena hita fa mifandray tsara amin’ny zava-misy eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary azo tanterahana tsara. Ary na ny fitondrana tetezamita sy ny fitondrana misy amin’izao Repoblika faha-4 izao aza dia hita ihany fa somary nangala-tahaka ny voasoratra tao amin’ny bokin’ny MAP.

 

Tsy manaiky ny fanambakana

Rava daholo anefa izany rehetra izany rehefa nitranga ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, ary samy miaiky ny rehetra ankehitriny fa tsy ny toe-karena ihany no potika nanomboka tamin’iny fotoana iny fa ny toe-tsaina ihany koa. Nivadika ho firenena anjakan’ny kolikoly sy ny gaboraraka ahitana izao karazana asa ratsy sy trafika rehetra izao i Madagasikara. Ringana sy potika ireo harem-pirenena, ary Malagasy vitsy an’isa nahazo tombotsoa tamin’ny fitondrana tetezamita sy teratany vahiny no tena mahazo tombotsoa. Ny fahatsapana izany mihitsy no nanosika an’Atoa Marc Ravalomanana ny hiady hatramin’ny farany mba hiaro ny Malagasy ka tsy hanaiky ny fampiesonana sy fanambakana ny mpiray tanindrazana aminy. «Tsy maintsy miverina any Madagasikara aho», hoy izy «ary ny andro rehetra sisa iainako dia atokako hanasoavana ny fireneko sy ny mpiray tanindrazana amiko». Fisedrana tena namaivay ny nanjo ny fianakaviana Ravalomanana, ary raha olona hafa dia mety efa ela no narary mafy na namoifo… Tsy honohono fa tena nisy ireo nikasa ny hamono an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009 ka nahatonga azy tsy maintsy nandao an’i Madagasikara. Fantatr’ireo andian’olona ireo mantsy fa sady tsy voavidy vola azo hanaovana kolikoly no tsy azo resen-dahatra mba hanaiky ny tsy rariny izany i Marc Ravalomanana.

Tonga i Dada

Tafaverina soamantsara teto Madagasikara indray 5 taona sy 7 volana mahery kely taorian’ny nialokalofany tany Afrika ny filoha Marc Ravalomanana. Mazava ny teniny fa «tsy maintsy karohana ny fomba rehetra handresena izao fahantrana mahazo ny Malagasy izao». «Azo atao tsara ny miresaka amin’ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola avy any ivelany», hoy izy ary tsy sarotra ihany koa ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpandraharaha eto an-toerana. Nosamborina ary nogadraina tany Antsiranana, ora vitsy taorian’ny nisehoany vahoaka voalohany teny an-tranony teny Faravohitra moa Atoa Ravalomanana ny 13 oktobra 2014. Mbola manjavozavo ny momba iny resaka iny hatramin’izao saingy na izany aza dia hita fa efa miroso ny fampihavanam-pirenena ary sambany mba afaka niresaka tamim-pitoniana ireo filoha 5 mirahalahy nifandimby nitondra teto Madagasikara. Na ahoana na ahoana ambara dia samy manana ny maha izy azy matoa efa filoha nitantana firenena izy 5 mirahalahy ireo, saingy tena hita mibaribary be fa miavaka i Marc Ravalomanana ary maro be ny Malagasy mbola matoky azy amin’ny fanavotana ity firenena ity. Mahafantatra tsara izany ny mpitondra tetezamita teo aloha ka nahatonga azy ireo nanakana hatramin’ny farany ny fodian’i Dada. Fantatry ny fitondrana Rajaonarimampianina ihany koa fa fahadisoan-kevitra goavana ny manilika an’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany. Ny sehatra iraisam-pirenena na dia hita hoe : somary tsy mitovy fomba fijery ihany koa aza dia hita ihany fa mbola matoky an’i Marc Ravalomanana. Ireo manampahaizana momba ny politika iraisam-pirenena dia samy milaza fa matoa i Marc Ravalomanana tafaverina eto Madagasikara dia efa nanaiky izany ny sehatra iraisam-pirenena araka ilay voasoratra ao amin’ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra ihany moa.

Mijoro ary hijoro hatrany

Mazava tsara ny tanjona ho antsika eto Madagasikara dia ny fampihavanam-pirenena, fametrahana ny fitoniana ary ny fandresena ny fahantrana… Toko telo mahamasa-nahandro hampilamna ny fiarahamonina eto ireo ary tokony samy hanaiky an’izany daholo ireo milaza fa tia tanindrazana. Afaka atao ny fanadihadiana lalina sy ny raharaham-pitsarana, fa tsy asiana mizana tsidrian’ila kosa fa dia tokony aseho ho fantatry ny Malagasy avokoa izany ny momba ny raharaha 1972, ny namoana ny kolonely Ratsimandrava, ny raharaha kung-fu tamin’ny 1985, ny momba ireo manamboninahitra maromaro maty nandritra ny Repoblika faharoa, ny fanjavonan’ny sambo Gasikara, ny raharaha 10 aogositra 1991, ny raharaha FLAMCO, ny resaka asan-dahalo, ny trafika isan-karazany momba ny volamena, safira, boaderozy, ny raharaha 26 janoary sy 7 febroary 2009 , ny tena marina momba ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson. Fa tsy hoe i Marc Ravalomanana irery akory no hibaby ny fahadisoan’ny mpitondra nifandimby sy ny mpanao politika ary ny Malagasy 20 tapitrisa. Raha ny tena marina aza dia Atoa Marc Ravalomanana no mpitondra voalohany tena nanokatra ny masom-panahin’ny Malagasy mba hahita ny tena zava-misy marina sy hiatrika izany fa tsy hanonofy am-pitoerana eo fotsiny. Nampiseho fahatoniana sy fandeferana ihany koa ity filoha teo aloha ity ary nampianatra hatrany ireo mpiara-dia aminy mba ho mendrika fa tsy sanatria hikorontana na hanakorontana. Ary anisan’ny zava-dehibe amin’i Marc Ravalomanana dia izy mino sy matoky ary matahotra an’Andriamanitra, ary azo antoka fa vao mainka nanamafy ny maha olon’ny finoana azy ny 5 taona nialokalofany tany Afrika sy niainany fitsapana sy zava-tsarotra maro. Ny lasa tsy fanadino, hoy isika Malagasy, ary ny tantara dia mbola mitohy. Manana ny maha izy azy izany Marc Ravalomanana izany, ary tsy afaka am-bavan’ny olona ny anarany, na ny tia na ny tsy tia azy, ary tena nametraka ny dian-tanany tamin’ny alalan’ny asa teto amin’ity Nosy ity izy, ary mbola vonona hitondra hatrany ny anjara birikiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT