Nilaza ny fomba fijeriny ny toe-draharaha misy eto Madagasikara sady nandroso vahaolana ivoahana amin’ny krizy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Voarakitra ao anatin’ny fanambarana ofisialy navoakany omaly fa tokony hisy ny fanambarana fohy, tsotra sady mazava iarahan’ireo filoha rehetra nifandimby nitondra teto dia i Hery Rajaonarimampianina, Andry Rajoelina, Marc Ravalomanana ary Didier Ratsiraka miaraka amin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM, ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy ary atrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ho hita ao anatin’izany ny fanambarana aorian’ny fifampiresahan’ny mpifanandrina telo tonta ny fifanarahana politika manaja ny Fihavanana Malagasy. Manaiky ihany koa ireo rehetra manasonia io fanambarana io fa tanterahana eto ny fifidianana madio sy mangarahara ary tsy misy fanilikilihana. Tokony hanaiky ihany koa ireo nanao ny fifanarahana fa hampahafantatra amin’ny daholobe, indrindra fa ny mpomba azy ireo sy ny sehatra iraisam-pirenena fa hajaina sy tanterahana ny zavatra nekena. Farany dia mandroso hevitra Atoa Marc Ravalomanana fa tokony hisy rafitra iray afaka miasa sady manana fahefana mazava tsara ny fanajana ny teny nomena ary afaka manasazy ireo izay mivadi-belirano. Tsy azo ekena, hoy ity filoha teo aloha ity ny don-tandroka mety hataon’ny sehatra iraisam-pirenena ka hanery ny Malagasy hanaiky kisarisarina tondrozotra lazaina fa hamaha ny krizy indray tahaka ny natao tamin’ny tetezamita ka namoahana ny “ni … ni”. Ny samy Malagasy no aoka hifandamina, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.