Isika Malagasy ihany no masimandidy amin'ny fiainam-pirenentsika. Aza diso safidy, ary aza voatarika sy sodokan'ny miseho ho mamiratra nefa tsy mitondra soa, hoy i Marc Ravalomanana tamin’ny vahoaka maro be tetsy Mahamasina ny sabotsy 25 aogositra teo.
Nifanandrify tamin’izay ny nivoahan’ny laharana ao anatin’ny bileta tokana, ka faha-25 izy. Toy ny daty nahaterahan'ny mpamonjy, mila famonjena ity firenena ity ary isika ihany koa mila miasa miaraka, ka isika tsy mba anisan'ny mpanakorontana na mpanongam-panjakana fa manangana mamorona, ary indrindra hamerina ireo zavatra efa simba. Tonga hanarina isika fa tsy tonga handrava. Izao no fotoana. Ny tantara tsy fanadino, saingy zava-dehibe ny fifamelana. Fa zava-dehibe indrindra koa, ary tena maika ny manao izay hampiarina ny firenena sy ny mpiray tanindrazana. Hovaintsika ary hampiroboroboantsika ny sehatra rehetra, hampiantsika ny mpiara-belona ary harovantsika ny tanintsika. Ary amin'ny zavatra rehetra dia ny Malagasy aloha no voalohany. Manana fandaharanasa hanatanterahana izany aho dia ny “Madagascar Action Plan 2” na ny MAP2. Misaotra anareo manohana ahy amin'ny hanatanterahana ny fikasana tsara rehetra ho an'ity firenena ity, hoy izy. “Vonona aho, Marc Ravalomanana, kandida anareo, kandida an'ny Malagasy, hitondra ny firenena. “ Ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ny akanga maro tsy vakin’amboa”, ka aleo mifanaraka tsara mahay miara-miasa. Hoporofointsika fa amin’ny fomba mihaja, ary amin’ny fomba ara-demokratika no hanehoantsika ho ren-tany ho ren-danitra fa mandresy isika”, hoy izy. Tena mafy ny fahasahiranana, misy ny tsy fandriampahalemana, iainana isan’andro ny tebiteby. Tonga ny fotoana hamongorantsika izay mietraketraka sy tsy mahay mipetraka, hain’i Dada io fa aza matahotra, hoy i Marc Ravalomanana. Karohana ny fomba rehetra hanomezana sakafo ny Malagasy. Notsiahiviny fa 9200 km ny lalana vita, ary mbola hanao izy. Tsy maintsy jerena akaiky ireo Malagasy tena sahirana, tsy mitafy tsara, tsy misakafo araka ny tokony ho izy, ary indrindra ny tanora tsy an’asa… Malagasy aloha, izay vao ny hafa, hoy izy, ka raha misy Malagasy na dia iray aza ka misy mampijaly na mietraketraka, antsoy i Dada, na firenen-dehibe na iza na iza. Madagasikara aloha ! Tsy maintsy arovana ny tanintsika, ny tanin’ny Malagasy, an’ny Malagasy, ianareo rehefa tsy mahay mipetraka hainareo ny lalana mody any amin’izay niavianareo ihany ! Misy mikasa hoe hiantso mpandraharaha vahiny ho avy eto, hono, dia hoe haka ny tanintsika sy ny fananantsika, azafady fa tsy atakalo tsy amidy ny tanin’ny Malagasy, tsy omena na iray dia aza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.