Politique

Marc Ravalomanana “Ny fanajana ny fahamarinana no hampisy fitoniana eto”


  • Zoma 04 Janoary 2019

Nisy tokoa ny fihaonana teo amin’Atoa Marc Ravalomanana sy ny vondrona iraisam-pirenena ny alatsinainy 31 desambra 2018 lasa teo, araka ny fanamarinam-baovao natao.

 

 Manodidina ny fifidianana ny vontoatin-dresaka. Nisaotra ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tenany noho ny fanampiany tamin’ny fikarakarana ny fifidianana. Nampatsiahy izy fa ny tanjon’ny fifidianana dia ny hahafahan’ny olom-pirenena maneho an-kalalahana ny heviny, tsy misy teritery na fanodinkodinana. Nanamafy izy fa maro ny tsy fetezana, fandikan-dalàna, herisetra ary nidarohana sy namonoana delegen’ny K25, hosoka tamin’ireo fitanana an-tsoratra, famadihana ny tarehimarika nandritra iny fifidianana fihodinana faharoa iny. Nisy ihany koa, hoy izy ny tsindry nataon’ny minisiteran’ny atitany tany amin’ireo solontenam-panjakana toy ny sefo distrika, prefe, sefo fokontany. Fa ny tena nahatalanjona dia ny fitombon’ny mpifidy tampoka tamina biraom-pifidianana maro. Tsy mampino ihany koa ary tena tranga hafahafa ny hoe 100% ny vato azon’ny kandida amina biraom-pifidianana sasany, na koa 100% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Rehefa nojerena anefa dia nihena ny taham-pahavitrihana tamin’ny fihodinana faharoa raha noharina tamin’ny fihodinana voalohany. Mitaky ny fampitahana ny vokatra isaky ny biraom-pifidianana sy ny fitsirihana ary fanamarinana ireo lisi-pifidianana vita sonia izahay, hoy i Marc Ravalomanana mialoha ny hanekena ny vokatra ofisialy izay havoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tsy izaho mihitsy no hampiditra an’i Madagasikara amina krizy vaovao indray. Mikatsaka ny marina izahay satria izay ihany no antoka hisian’ny fitoniana politika eto Madagasikara. Hetsika fitakiana ao anatin’ny filaminana sy ny fanajana ny lalàna no atao ao ary mbola miantso ny rehetra hikaroka ny fahamarinana mba hiadiana amin’ny hosoka sy hala-bato izahay, hoy hatrany izy.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT