Politique

Marc Ravalomanana Nihaona tamin’ny Vondrona Eoropeanina


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Efa hatramin’ny 2009 i Marc Ravalomanana, dia efa nanomana ny fiverenana amin’ny fitondrana, hahafaha-manarina ny firenena izay potiky ny krizy nateraky ny fanonganam-panjakana.

 

 

 

 Nanao izay ezaka rehetra nahafahany niverina izy, saingy natahotra mafy azy ny fanjakana tetezamita tamin’izany fotoana, ka nanao izay fomba rehetra  nanakanana azy. Tsaroana tsara ny fitsenana manetriketrika saika hataon’ny vahoaka an’aliny azy ny 21 janoary 2012, saingy tsy navela niditra teto tamin’ny alalan’ny NOTAM. Na tsy teo amin’ny fanjakana intsony aza tsy nanapaka ny fifandraisana tamin’ny sehatra iraisam-pirenena sy mpiara-miombon’antoka, ka porofon’izany ny nanatrehany ny fianianan’ny filoha Amerikanina Donald Trump 20 janoary 2017, izay tsy olonolom-poana sy voatsonga manokana eto ambonin’ny tany afaka miatrika izany fa tsy tahaka ny aty amintsika. Any Eoropa indray ny tenany amin’izao ka omaly, dia nitsidika ny Foiben’ny Vondrona Eoropeanina ao Bruxelles Bélgique, ary noraisin’ny depiote Louis Michel, izay manana ny maha izy azy sy ny toerany ao anatin’ny Kaomisionina Eoropeanina. Ankoatra ny fihaonana, anton-diany ihany koa ny fivoriana momba ny fampandrosoana hahafaha-manarina ny firenena. Mbola mipetraka tsara ny fifampitokisana eo amiko sy ny Vondrona Eoropeanina, hoy izy. Ny 14 oktobra 2014 ny tenany no tafaverina teto an-tanindrazana, izay tsy nandeha ho azy fa nisy antony lehibe tao, ary nisy hery matanjaka iraisam-pirenena nanampy azy matoa tafaverina teto izy. Nitety an’i Madagasikara sy nihaona tamin’ny vahoaka Malagasy tao anatin’izay rehetra izay, ary nifanakalo hevitra tamin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nametrapetraka ny paikady rehetra hahafaha-manarina ny firenena miaraka amin’ny vahoaka Malagasy fa tsy tonga hitsangantsangana. Ny mpanongam-panjakana vao very fihinanana tsy teo amin’ny seza intsony, dia toa leo monina sy nandao ny Malagasy ary aty amin’ny fifidianana vao manao serasera totoafo hikosehana ny tantara, fa i Marc Ravalomanana kosa niady mafy ny hiverenana an-tanindrazana, niara-niaina tamin’ny vahoaka, miara-manomana ny fanarenam-pirenena, ka hiara-kanangana fa firenena vanona fa tsy handrava no tarigetra.Mbola hihaona amin’ireo Malagasy monina any Frantsa sy ny manodidina azy amin’ny sabotsy 29 septambra izao Atoa Marc Ravalomanana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT