Tao amin’ny fiangonan-drazany ao amin’ny FJKM Imerinkasinina omaly alakamisy 25 desambra andron’ ny Krismasy no nankalazan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mianakavy sy ny fianakaviany ary ny mpino kristianina tao amin’ity toerana ity ny fiderana an’Andriamanitra noho ny fahatsiarovana ny fiavian’ny mpamonjy zazakely teraka tao an-tranon’omby tao Betlehema 2014 taona lasa izay
Tena fankalazana an’Andriamanitra ranofotsiny no notanterahana teny an-toerana fa tsy nisy kabary politika na pitiny aza. Tsy nisy mpanao politika nanotrona rahateo ity fanompoam-pivavahana ity afa-tsy ny mpitondra teniny, ny Kestora III Guy Rivo Randrianarisoa. Fahaterahana vaovao miaraka amin’i Kristy zazakely indray izao fahazoan’Atoa Marc Ravalomanana misitraka malalaka am-piangonana ny fiderana an’Andriamanitra izao taorian’ny nitazonana azy tsy ara-dalàna tany amin’ny “Amirauté” tany Antsiranana. Fahaterahana vaovao ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ihany koa miaraka amin’ny famoahana ireo gadra politika sy fandraisan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina azy ireo teny an-dapa. Sisa tavela hatreto ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakaton’ny fitondrana tetezamita noho ity resaka fanehoan-kevitra sy demokrasia ity ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.