Politique

Marc Ravalomanana Neken’ny HCC ny maha kandida azy


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Kandida 36 tamin’ny 46 no nahafeno fepetra, ka afaka ny handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany amin’ny 7 novambra ho avy izao. Kandida 10 izany no nihintsana noho ny tsy fandoavana ilay antoka 50 tapitrisa ariary miampy tsy fahafenoan’ny antontan-taratasy .

 

Tafiditra hifaninana avokoa ireo kandida sokajiana ho vaventy sy misongadina, toa ireo filoha 4 nifanesy, izay samy mbola velon’aina dia i Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, Hery Rajaonarimamampianina. Isan’ny nandrasan’ny maro ny firotsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana satria tafiditra ao anatin’ny sokajin’ny « favori » ny tenany, ary taorian’ny fandrotsahan’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina dosie ny tenany vao nanao izany. Niova ny fomba fijerin’ny rehetra, ary nisinda ny ahiahy vao tafapetraka ny dosieny ny 18 aogositra teo, ary teo vao nirarakopana ny fanehoan-kevitra fa izao vao tena hiady ny baolim-pifidianana.  Ny sabotsy 25 aogositra izao moa no hatao eny amin’ny Biraon’ny CENI Nanisana ny antsapaka momba ny filaharana ao anaty biletà tokana. “Ara-dalàna tsara ary nohamafisin'ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny firotsahako hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana amin'ny 7 novambra 2018. Mankasitraka anareo miara-mijoro sy miara-miasa amiko. Mpirahalahy mian'ala isika. Hanokatra pejy vaovaon'ny tantaran'i Madagasikara. Hanangana firenena vanona , mandroso, sy tsy mitsanga-menatra manoloana izao tontolo izao na ara-toekarena, na ara-sosialy na ara-kolontsaina. Manàna finoana ary sahia... Izao no fotoana », hoy i Marc Ravalomanana raha naneho hevitra tamin’ny pejy facebook  ofisialiny omaly .Hanamafy ny fiombonam-pony sy ny fifanohanany amin’ny vahoaka Malagasy ny sabotsy ho avy izao eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina.Tsotra ny resaka : mandresy no toromarika.


 

01

Andry Nirina RAJOELINA

Tanora malaGasy Vonona(TGV)

02

RAVELONARIVO Jean

Antokom-BAhoaka (ABA)

03

MAILHOL André Christian Dieu Donné

Gideona, Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara (GFFM)

04

ERNAIVO Fanirisoa

ZAnak’i MAdagasikara (ZAMA) et
PArti TRAvailliste Malagasy (PATRAM)

05

JULES ETIENNE Rolland

MAdagasikara FIvoarana (MAFI)

06

RASOLOFONDRAOSOLO Zafimahaleo dit DAMA Mahaleo

Manajary Vahoaka

07

RABARY Andrianiaina Paul

MIASA

08

RABEHARISOA Saraha

Parti Liberal Démocrate (PLD)

09

RANDRIAMORASATA Solo Norbert

Union Démocrates Chrétiens
de MAdagascar (UDCMA-KMTP)

10

RATSIETISON Jean-Jacques Jedidia

Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy
(FMI-MA)

11

BERIZIKY Jean Omer

ANTSIKA MADAGASIKARA

12

RAKOTOFIRINGA Richard Razafy

Solidarité des Jeunes Intellectuels
pour l’Avenir de Madagascar (SJIAM)

13

RADILOFE Mamy Richard

Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy
(RDS)

14

RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial

Hery Vaovao ho an’ny Madagasikara

(HVM)

15

BEZAZA Marie Eliana Pascaline Manasy

Parti Social Démocrate de Madagascar
(PSD)

16

RAVALOMANANA Marc

TIAKO I MADAGASIKARA (TIM)

17

IMBEH Serge Jovial

Antoky ny Fivoaran’ny Malagasy (AFIMA)

18

RAJAONARY Erick Francis

MALAGASY MIRAY MIFANKATIA
(MA.MI.MI)

19

ANDRIANOELISON José Michel

ARO-RIAKA

20

ANDRIANTSEHENO Lalaoarisoa Marcellin

TAFAJIABY

21

RATSIRAKA Iarovana Roland

Malagasy Tonga Saina (MTS)

22

RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin

REFONDATION TOTALE
DE MADAGASCAR (RTM)

23

RABARIHOELA Bruno

FAHAZAVAN’I MADAGASIKARA
(FAIMA)

24

RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin

FIRAISAMPIRENENA HO AN’NY
FAHAFAHANA SY NY FANDROSOANA (F.F.F)

25

NARISON Stephan

ANTOKO GASY MIARA MANDROSO
(A.G.M.M)

26

RASOLOVOAHANGY Roseline Emma

EZAKA MAMPANDROSO ANTSIKA
(EMA)

27

RASOLOFONJOA Haingo Andriakajamalala

AVOTRA HO AN’NY FIRENENA

28

ROBIMANANA Rivomanantsoa Orlando

Madagasikara Vina sy Fanantenana
(MVF)

29

RAKOTOMAMONJY Jean Max

LEADER FANILO

30

ZAFIVAO  Jean Louis

GASY MIFANKATIA  (GASYMI)

31

RASOLONJATOVO Falimampionona

FITAMBOLAGNELA/IAD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT