Politique

Marc Ravalomanana Nangata-tsodrano tamin’i Thérèse Zafy


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Henoko fa tsy salama izy dia nankaty aho namangy azy niaraka tamin’ny Profesora Manoro Regis sy Dr Joseph Randriamiandrisoa satria nisy fifandraisana akaiky izaho sy Pr Zafy Albert, hoy i Marc Ravalomanana

 

 raha namangy an-dRamatoa Thérèse Zafy teny amin’ny Villa La Franchise Ivandry omaly.  Rariny loatra satria ao anatin’ny tsy fahasalamana izy, ary nangata-tsodrano taminy raha ny fanazavany. Mahita ihany koa aho hoe betsaka ireo hafatra sy teny noresahinay sy Profesora fahavelony, dia  izy ihany koa no nahalala an’izay, ka mankasitraka izy ny mba hanohizana ny fampihavanana tena izy. Nanafatra azy i Profesora hoe nahafinaritra ny resaka sy ny fifampidinihana hatramin’izay nanomboka tamin’ireny teny amin’ny CCI Ivato ireny, ny fampihaonana samihafa nataon’ny FFKM izay nankasitrahany an’i Marc Ravalomanana ka tohizana fa mety. Misy ny antoko UNDD naorin’i Pr Zafy Albert ihany koa ary nanambara izy fa tsy misy zavatra manakana ary tsy misy fepetra fa namaly fotsiny aho ka miankina aminy na afaka manatevin-daharana na mbola hieritreritra fa miankina amin’ny safidin’izy ireo ilay izy. Marihina fa efa nihaona sy naneho fahavononana hifanome tanana amin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Foiben-toeran’ny K25 teny Ampandrana ny Pr Manoro Regis sy Dr Joseph Randriamiandrisoa, izay akaiky ny Pr Zafy Albert fahavelony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT