Niavaka noho ny fahamaroan’ny olona tonga tsy tahaka ny isan’andro sy ny faran’ny herinandro mahazatra ny isan’ireo mpitolona sy olon-tsotra tonga tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 2 aogositra teo. Ankoatra ireo kabary mahazatra fanaon’ireo mpitari-tolona teny an-toerana ho fampodiana an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nahaliana ny mpitolona fatratra ny fidirana an-telefaonina nivantana nataon’ity farany avy any Afrika Atsimo.
“Lalina ny fahasahiranana misy ankehitriny ka dia mahatsiaro anareo any an-tanindrazana ny tenako”, hoy izy. “Tsy mety ny mangina ka hijery fotsiny mba tsy hanenenana any aorina. Ry vahoaka malagasy, sahirana sy latsaka anaty kizo ny firenena, nihevitra aho fa hiverina amin’ny tany tan-dalàna i Madagasikara, hilamina sy hiaina amin’izay. 7 volana lasa izay no nanaiky hanohana ny fitondrana mijoro ankehitriny ny tenako ary ny 24 mey dia nihaona tamin’ny filoham-pirenena ary nanontany ny hevitro ny Amerikanina hoe inona no ataonao ? Dia nolazaiko fa hanohana ny tenako. Izao dia hivory any Washington i Amerika sy ireo firenena Afrikanina. Naverina tamiko ny fanontaniana rehefa iray ihany ny minisitra azontsika dia nilaza aho fa mahatoky. Misy anefa ny fihatsarambelatsihy na nanohana tsy misy fepetra hatrany aza manoloana ny antsojay mahazo ny tenako satria tsy misy ny fampahatokisana ary i Madagasikara niara-niasa tamin’ny Amerikanina ka nahazo ny MCA voalohany indrindra. Nitohy hatrany ny fahatongavan’ny Peace Corps ary i Robert Jackson dia nihaona tamin’i Neny tao Faravohitra raha nandalo tany Madagasikara ka nitenenany fa hanao izay vitany izy ireo ka dia nanoratra ho an’ny Amerikanina aho omaly niampy ny fihaonako taminy, nilazako ny marina satria tena tsy misy mihitsy ny fihaiza-mitantana. Hafa ny toky tamin’ny propagandy hoe : fampihavanana, zon’olombelona, demokrasia, fahaizana mitantana… dia lazaina fa tsy laharam-pahamehana ny fodin’ny filoha Ravalomanana. 7 volana aty aorina tsy mbola misy ny praograman’asa matotry ny mpitondrantsika, tsy mbola lany ny volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibolam-panjakana 2014”. “Aza terena izahay hanao zavatra tsy tokony hatao fa hitondra fahasahiranana lava”, hoy izy. Tokony hotanterahana ny fifanarahana nefa pasipaoro aza tazomina nefa zoko ny manana pasipaoro ary nandefa fampahatsiahivana ny tenako. Tsy voahaja ny “traité de Rome”, ny antony dia vokatry ny 7 febroary, hono. Tsy vaovao amiko ny fitantanana firenena ary rehefa terena hanao ny tsy mety dia afaka adidy amin’ny fatana. Ary am-pahatsorana no ilazako fa tsy matahotra ny hody any Madagasikara aho na hiatrika fitsarana fa fitsarana mahefa kosa ary nangataka fitsarana iraisam-pirenena any Lahaye ny tenako. Tsy nanao ratsy tamin’ny fireneko aho fa ny tsara aza no nomeko sy nataoko. Afaka mizara ny traikefany amin’ny fampihavanana i Afrika Atsimo ary iainako aty izany. Ny teny no betsaka avy amin’ny fitondrana fa tsy misy fampiharana na “action”. Hiresaka amin’ny Vondrona Afrikanina sy ny Sadc tahaka ny nataoko tamin’ny Amerikanina omaly aho. Miaina anatin’ny fahoriana ny malagasy ary ny mpanao politika tokony hiteny fa malalaka izao ny fitenenany fa tsy hanafintohana ny hafa kosa. Mbola vonona hanampy ny fitondrana ny tenako ary tsy hitondra korontana fa ao anatin’ny fihavanana, izay hantsoiko ny FFKM fa zava-poana ny rehetra raha tsy miroso amin’ny fampihavanana isika fa apetraka aloha ny fitokisana dia miroso fa raha ao anatin’ny fihatsarambelatsihy izao dia tsy tafavoaka mihitsy. Tsy torapo ary tsy fampitahorana ny resaka fa efa niresaka tamin’ny mpiaradia rehetra ny tenako”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.