Politique

Marc Ravalomanana Nampitandrina ireo vahiny miseho milay


  • Zoma 10 Aprily 2015

Nahitsy sy nivantana ny tenin’Atoa Marc Ravalomanana mikasika ny endri-piaraha-monina eto Madagasikara omaly tetsy amin’ny hotely Carlton. « Hampanana ny tsy manana no tanjon’ny antoko Tiako i Madagasikara ary tsy haka ny an’izay efa manana ».

 

 

Nampitandrina

Nampitandrina ireo  izay mirehareha amin’ny fananan-karena na vahiny na tompon-tany ny tenany. «  Aza hosihosena ny vahoaka malagasy madinika raha sendra manana miliara vitsivitsy  ianao”,  hoy ny tenany, nanao tsindry paingotra ho an’ireo matikambo na mirehareha amin’ny fananambe koa ity filoha teo aloha ity ka nilaza fa : “ raha toa ka mbola voaisanao ny fananao dia tsy mbola manana ianao izany”. Ho an’izay vahiny tsy vonona hanaja ny zon’ny Malagasy dia tsara aminy ny mody any amin’ny taniny hoy i Marc Ravalomanana. Nahazo ny anjarany avokoa ny teratany vahiny mampanofa trano eto Madagasikara ka manao toetra tsy zaka amin’ny Malagasy, ny mpanam-bola manototra tany etsy sy eroa sy ireo vahiny mibodo fananan’olona fotsiny izao. “Tandremo  fa efa eto aho izao”, hoy  Atoa Marc Ravalomanana. Ho an’ny mpitondra fanjakana kosa dia nambarany fa antoko tan-dalàna sy matotra ny TIM ka rehefa nantsoina izy handray anjara amin’ny fifidianana dia tonga fa anjaran’ny fanjakana ny manao izay hahatomombana amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fikarakarana izany fifidianana izany fa tsy sanatria atao ho famitaham-bahoaka indray izany.

Tsara aminareo ny mody

Samy nahatsapa izay rehetra tonga teny amin’ny hotely Carlton Anosy fa ny taona no nitombo fa tsy niova tmin’y foto-kevitra nijorony hatramin’izay i Marc Ravalomanana fa tena sahy ary mahazaka dona tsara, araka ny firesaky ny tanora.Tsy eken’ny sainy ny hetraketraka sy setrasetran’ny vahiny eto Madagasikara , izay manambany ny Malagasy toa azy.Mipetraha tsara ianareo na mandehana miverina mody any amin’ny taninareo any, tsy vao tamin’ity 2015 ity no nandrenesana an’i Marc Ravalomanana niteny izany fa efa hatry ny ela.Azo tarafina tamin’ny fomba firesany omaly fa efa manana vina lavitra ho an’i Malgasy sy Madagasikara i Marc Ravalomanana ary efa niverina tanteraka amin’ny sehatra politika sy ny fiarovana ny tombotsoam-pirenena.

Andry Ratovo  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT