Politique

Marc Ravalomanana Nalain’ny fanjakana an-keriny


  • Talata 14 Oktobra 2014

Fihetsika feno hakanosana no sady manalabaraka ny firenena no nandraisan’ny olona ny fisamborana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny Faravohitra omaly tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro.

Nitifitra ny vavahady sady nandaka ny varavarana ireo olon’ny Emmo reg nilaza fa hiaro ny filoha, hono, kanefa nampiseho fihetsika feno habibiana sy manosihosy tanteraka ny maha filoha teo aloha an’Atoa Ravalomanana ary nisambotra azy toy ny jiolahy. Tsy fantatra mazava hatramin’izao izay toerana nambara fa itazonana sy hanaraha-maso ity filoha teo aloha ity noho ny tsy fisian’ny loharanom-baovao mazava avy amin’ny fitondram-panjakana nilokaloka fa hiaro azy. Siosion-dresaka no nahafantarana fa toa hoe any Arivonimamo no ambenana i Marc Ravalomanana, misy milaza fa nirifatra any amin’ny lalam-pirenena faha-4 ireo fiaran’ny Emmo Securité nitondra azy, ao koa ireo maminavina fa mbola ambenana ao amin’ny Toby Ratsimandrava ihany i Dada. Nilaza fa tsy nahafantatra na inona na inona momba ity raharaha ity ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina omaly hariva ary nilaza fa tsy nosamborina na nogadraina Atoa Ravalomanana fa arovana kosa amin’ny fihantsiana maro samihafa. Raha izany no marina, nahoana no tsy tao amin’ny trano fonenany izy no nambenana ? Nahoana no tamin-kerisetra no nakana azy tao Faravohitra avy eo nentina any amina toerana tsy fantatra mazava hoe aiza ? Moa va tsy tahaka izany ny fihetsik’ireo jiolahy mpanao kidnapping ? Na ahoana na ahoana ambara dia mapihetry hatrany ny voninahitry ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana ny fihetsika nisamborana an’i Marc Ravalomanana omaly. Iny sary ratsy iny no miraikitra ao an-tsain’ny olona ary sarotra ny hamafa an’iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT