Efa voarafitra ny birao nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara izay ahitana ny filoha nasionaly sy ireo filoha lefitra enina ary ny sekretera jeneraly. Misy koa ny rafitra tsy tafapetraka hatreto, tafiditra ao anatin’izany ny Vehivavy sy ny Tanora TIM. Araka ny fantatra dia amin’ny alalan’ny fifidianana mivantana ataon’ireo mpikambana no handrafetana izay biraom-paritra sy birao nasionalin’ny Vehivavy TIM sy ny Tanora TIM, tsy mbola fantatra kosa ny daty mety hanaovana ny fifidianana.
Nandamina, nampiray
Fantatra ihany koa fa nampidirina ao anatin’ny antsoina hoe : « Collège des conseillers » ireo minisitra sy depiote ary loholona TIM teo aloha. Mpanolotsaina araka ny anarany no hisokajiana azy ireto ary hiara-kiasa amin’ny birao nasionalin’ny TIM. Mazava ny hafatr’Atoa Marc Ravalomanana fa ilaina ny fahaizana sy ny fahalalan’ny tsirairay mba hahafahana mahavita asa tsara. Naveriny matetika rehefa mikabary izy ny hoe : aoka tsy hifanilikilika ary tokony hahay miasa miaraka ny rehetra. Miditra amina pejy vaovao ny antoko TIM, efa nandray lesona tamin’ny lasa ary vonona sy sahy handray ny andraikiny manoloana ny firenena. Maro be ny fifanazavana, fifampiresahana sy fifandresen-dahatra mialoha iny kongresy nandritra ny 2 andro teny Tanjombato iny, ary dia ireny niaraha-nahita ireny ny vokany fa tazana tao ny ankamaroan’ireo mpanao politika, tompon’andraikitra ambony niara-niasa tamin’i Marc Ravalomanana hatramin’ny 2002 tahaka an-dry Rajemison Rakotomaharo, Lahiniriko Jean, Benjamin Andriamparany Radavidson, Charles Rabemananjara, Botozaza Pierrot, Ruffine Tsiranana, Fetison Rakoto Andrianirina sy ny maro hafa. Hain’i Marc Ravalomanana ny nandamina sy nampihavana ireo mpiara-dia aminy, niainany ny fampihavanam-pirenena noventesina teto hatrizay fa tsy nataony resaka ambony latabatra fotsiny. Tsy tokony hahagaga mihitsy noho izany raha hiverina eo amin’ny fitondrana indray ny TIM amin’ny fotoana mahamety azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.